Alatsinainy 13 Mey 2024
Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. Apokalypsy 2:10
Tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza. Apokalypsy 12:11
Haik H., tovolahy armeniana 22 taona, dia nanapa-kevitra hanokana ny fiainany hanompo kristiana. Tamin’ny taona 1980 izy dia isan’ireo mpikatroka mavitrika teo anivon’ny mpino tao Téhéran, izay norarana tsy hitory ny Filazantsara amin’ny silamo, nefa tsy nanaiky ny faneriterena : „Na hataony any an-tranomaizina izahay na hovonoiny noho ny finoanay, dia tsy hilefitra amin’izany fitakiana izany”.
Medhi D. dia iray tamin’ireo kristiana maro miafina teo anivon’ny silamo. Tamin’ny taona 1983 izy dia nosamborina sy nampidirina an-tranomaizina mandritra ny folo taona. Tao izy dia notadiavina hoterena handà ny finoany, nefa namaly hoe : „Tsy vitan’ny hoe faly aho naiditra an-tranomaizina mba ho voninahitry ny Anarany masina, fa ambonin’izany dia vonona aho hanolotra ny aiko ho an’i Jesosy Tompoko”. Tamin’ny taona 1993, tamina fitsarana miafina, dia nohelohina ho faty i Medhi satria nandà ny finoana silamo. Saingy henon’i Haik izany ka nambarany ampahibemaso. Noraisin’ny fikambanambe iraisam-pirenena an-tanana ny raharaha, ka navotsotra i Mehdi tamin’ny 16 janoary 1994.
Telo andro taorianan’izay dia nisy naka an-keriny teny an-dalamben’i Téhéran i Haik. Vatana tsy nisy aina intsony no ho hita, tatỳ aoriana…
Tamin’ny fotoana fandevenana, dia sady nitomany i Medhi no niteny tamin’ny vahoaka hoe : „Rehefa novonoina i Haik rahalahintsika dia fantatro fa izaho no tokony ho faty fa tsy izy”.
Enim-bolana tatỳ aoriana dia nanaraka an’i Haik rahalahiny koa i Medhi : hita tao anaty zaridaina iray tao Téhéran ny vatany, voatsindrona antsy…
Ireo maritiora mirahalahy ireo, izay armeniana ny iray, ary silamo ny iray, dia ohatra faka tahaka momba ny finoana, izay nampahery kristiana iraniana maro.
„Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo… ka araho ny finoany” (Hebreo 13:7).