Talata 14 Mey 2024

Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany,… mpampianatra,… fahagagana,… fanomezam-pahasoavana hoenti-mahasitrana,… fanampiana,… fitondrana,… fiteny samihafa. 1 Korintiana 12:28

 

Ireo mpino : rantsambatan’ny Tenan’i Kristy (4)

Manana asa fanompoana ny tsirairay, mba hahasoa ny mpino rehetra mitambatra

„Mba… hifampiahy ny momba ny tena rehetra” (1 Korintiana 12:25). Ny zanak’Andriamanitra tsirairay dia manana andraikitra hampiasa ny fanomezam-pahasoavana (na fahaiza-manao ara-panahy) noraisiny tamin’ny Tompo. Mitandrina izy ho mpanampy, fa tsy ho sakana. Mivonona izy hamaly ny filana ara-panahin’ny mpino, ary indraindray ny filan’izy ireo ara-batana sy ara-pitaovana, sy hikarakara azy ireo.

Tian’Andriamanitra hotanterahina io fifandraisana akaiky io, ary tokony hiainana, mba ho voninahiny : „asany isika”, Izy no nanao antsika, na isika tsirairay, na isika miaraka (Efesiana 2:10). Tsy mahaleo tena isika, ary tsy afaka hiolonolona. Raha toa isika mihevitra fa tsy mila an’iza na iza, dia ho tsy misy antony ve izany ny nanomezan’Andriamanitra ireo rantsambatana hafa ?

Asehon’ny Fanahy Masina ny fomba ara-dalàna fiasan’ny Tenan’i Kristy, ary anisan’izany ny firaisana akaiky misy eo amin’ny rantsambatany. Mifampiankina ireo, mifamatotra ny ilàna azy ireo sy ny fahasamihafany, ary izany dia mampiseho ny fomba ahafahan’i Jesosy Kristy mampiasa ny tsirairay amin’izy ireo mba hahasoa ny fitambarany.

Samy ilaina avokoa ny rantsambatana rehetra. Amin’ny fijerin’ny olona dia misy antanan-tohatra miavaka miharihary na tsia ireo asa fanompoana samihafa. Nefa ny hany manan-danja amin’Andriamanitra dia ny fomba tsy mivadibadika ikatsahantsika hanatanteraka izay andraikitra mba sitrany nankinina amintsika. Hoy Izy amintsika tsirairay manokana : „Tandremo ny fanompoanao izay noraisinao tao amin’ny Tompo, mba hahatanterahanao izany” (Kolosiana 4:17).