Alarobia 15 Mey 2024
Ary ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra… ireny ? Lioka 13:4
Ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’izay nandre… Anio, raha hihaino ny feony ianareo aza manamafy ny fonareo. Hebreo 4:2, 7
Nisy lahatsoratra an-gazety iray niresaka ny tantaran’i Sara, vehivavy tanora 21 taona. Te hitsidika izao tontolo izao izy ary te hiaina feno ny fiainany.
Ny andro mialoha ilay famelezana tamin’ny 22 marsa 2017 tany Westminster (Angletera), dia teo amin’io toerana io mihitsy izy. Ny hariva nisiana famelezana iray hafa tany Manchester, ny 22 mey 2017, dia tokony ho nijery fampisehoana hira tany izy, saingy nisy sakana tsy nahafahany. Ny 3mey 2017 izy dia maty nandritra ilay vono olona tany Londra.
Mety hiteny ny sasany hoe : „Ratsy vintana izy”. Ny hafa kosa hanao hoe : „Nanody azy ny vintany”, na koa hoe : „Nahoana Andriamanitra no namela izany hahazo azy, izy izay tsara fanahy aoka izany iny… ?”
Firifiry moa ny olona tojo toejavatra toy izany, na teo akaiky izy na lavitra ? Zara fa dify-na loza iray, saingy tratra-na iray hafa. Vitsy anefa ny mahare ny antson’Andriamanitra amin’izany : mety hifarana amin’ny fotoana rehetra ny fiainana, ary aorianan’izany ny tsirairay dia tsy maintsy hiseho eo anatrehan’Andriamanitra. Miteny amintsika Andriamanitra, amin’ny alalan’ireny zava-doza ireny. „Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza ; nefa tsy tandreman’ny olona izany” (Joba 33:14).
Androany, mijanòna ianao ary mihainoa Azy, dieny mbola tsy tara ! „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay… fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo” (Jaona 3:16, 18).
Ny didim-pitsaran’Andriamanitra dia tsy mifamatotra amin’ny fomba niainanao, fa miankina amin’ny hoe ianao ve nino sa tsy nino an’i Jesosy Zanany, maty nisolo toerana anao ary nizaka ny fanamelohany. Porofom-pitiavana lehibe kokoa toy inona no afaka omeny, mihoatra noho izany ?
Aza mangataka andro ! Manatòna Azy, ary raiso ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra anao.