Alakamisy 16 Mey 2024

Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao. Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Jaona 1:9-10

 

Ao anaty tontolo manao ahoana no tiantsika hiainana ?

Io fanontaniana io dia nisongadina tao amina gazety lehibe iray mpiseho isanandro tamin’ny taona 2020, nandritra ny valanaretina Covid-19. Ity tontolo mandiso fanantenana ity, izay tsy misy fahamarinana ary feno herisetra, dia zara raha manome torolalana sy fahatsinjovana mampahery. Maro ny mihevitra fa izao krizy ara-pahasalamana izao dia mety ho fotoana tandrify hamerenana indray hatramin’ny voalohany ny rafitra rehetra. Nefa tontolo inona no haorina ?

Ny Baiboly dia tsy mampanantena antsika fanatsarana ny tontolo misy ankehitriny, iandraiketan’ny olombelona tarihin’ny fironan-dratsiny. Asehony antsika ny fahasamihafana tontolo roa. Niresaka izany Jesosy fony tetỳ an-tany : „Ianareo avy atỳ ambany ; Izaho avy any ambony ; ianareo avy amin’izao tontolo izao ; Izaho tsy mba avy amin’izao tontolo izao ; koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo ; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo” (Jaona 8:23-24). Ny rafitry ny tontolo ankehitriny dia mandà an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, tonga mba hametraka ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Niakatra any an-danitra Jesosy, ary nitarika ireo izay nino Azy, hanaraka Azy ara-toe-panahy aman-tsaina. Fantatry ny mpino fa Jesosy dia „nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona (na izao tontolo) ratsy fanahy izao” (Galatiana 1:4).

Avelan’Andriamanitra ity tontolo „atỳ ambany” ity hanohy ny diany ho amin’izay tiany haleha, mandra-pahatonga ny fotoana hitsarana sy hanamelohana azy noho ny nanomboany an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Mandritra izany fotoana izany koa dia miasa Izy hamonjy olona, hamonjy ireo izay mino ny teniny, dia ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, izay „herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino” (Romana 1:16). Mandalo izy ireo eto an-tany, ary vavolombelon’io tontolo any ambony io, mandra-piavin’ny Tompony, Izay hampiditra azy ireo tokoa any an-danitra.