Zoma 17 Mey 2024
Jesosy niteny taminy niaraka tamin’izay hoe : Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. Matio 14:27
Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3
Matetika ny tahotra no mameno ny andavanandrontsika. Tahotra ny aretina, tahotra ny tsy fandriampahalemana, tahotra ny hafa, tahotra ny famelezana, ny fanafihana…
Ary rahampitso… mety ho vao mainka ratsy kokoa angamba ? Ny ray aman-dreny dia matahotra momba ny hoavin’ny zanany, matahotra ny tsy fananana asa…
Ny voalohany indrindra nahatsapan’ny olombelona tahotra dia fony izy tsy nankatò an’Andriamanitra. Vao avy nihinana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama sy Eva. Nandika ny baikon’Andriamanitra izy ireo. Rehefa nantsoin’Andriamanitra i Adama dia namaly Azy hoe : „Nandre Anao tao amin’ny saha aho ; dia natahotra aho… ka dia niery” (Genesisy 3:10). Very ny fatokiana an’Andriamanitra. Tafiditra tao anatin’ny fon’ny olombelona ny fisalasalana, ny tahotra, ary ny ahiahy.
Mbola marina izany mandraka ankehitriny, ary mila mihavana indray amin’Andriamanitra isika, mba hiverenan’ny fahatoniana. Ny olona rehetra dia meloka eo anatrehan’Andriamanitra, mahatahotra indrindra ny fahamasinany : „Masina, masina, masina Jehovah !” hoy ny anjely, manodidina ny sezafiandrianany (Isaia 6:3). Andriamanitra anefa te hisarika antsika hanana fifandraisana mahatretrika aminy, dia fifandraisana zanaka amin’ny Rainy. „Izay rehetra nandray Azy [nandray an’i Jesosy ao am-pony], dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Ny zanaka ve dia hatahotra ny rainy raha voahodidin’ny fitiavany sy ny fikarakarany isanandro ? Tia antsika Andriamanitra, ary noporofoiny tamina fomba mahatalanjona izany : tsy notsimbininy Jesosy Zanany Lahitokana, mba hamonjy antsika sy hanadio antsika. Fantatry ny mpino fa Andriamanitra dia momba azy (vakio Romana 8:31…). Andriamanitra dia manampy azy ary manome toky azy, ao anatin’ity tontolo tena mampitebiteby ity indraindray (Salamo 23:1).