Asabotsy 18 Mey 2024

Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Romana 15:13

Ny fanantenana… izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika. Hebreo 6:18-19

 

Manantena sa mamoy fo ?

Teny mahafinaritra ny hoe „fanantenana” : afaka manome herimpo ny olona rehetra, ny marary, ny tsy manana, ny tra-doza, ny voailika… Nefa ahoana ny fomba hanantenana ? Matroka ny hoavy, mampitebiteby, misy valanaretina maneran-tany, loza mahazo ny olombelona sy ny tontolo iainana, haratsiam-pitondrantena mitombo… Ny mpahay toetra amam-panahy anefa dia mbola miteny hatrany hoe tokony hiaina anaty fanantenana… Fanantenana inona ? Asa, fialantsasatra, fisotroan-dronono, andro tsaratsara kokoa no andrasana, kanjo indro misy zava-tsy ampoizina, tsy fahombiazana, aretina mafy, loza tampoka… ny fahafatesana. Tsy misy olona mahafehy ny hoaviny, na mahafeno samirery ireo faniriany sy filany. Na izany aza anefa, dia feno nofinofy sy fatokiana fa afaka miantoka ny fahasambaran’ny tena, ka mbola manohy manantena, mampisongadina ny lafitsaran-javatra, mandra-pahatonga ho diso fanantenana, ary hamoy fo mihitsy aza.

Ao amin’ny Baiboly, ny fanantenana, izay mifanalavitra tanteraka amin’ny fiheverana ny zavatra rehetra ho tsara sy ny fiandrasana zavatra tsy azo antoka, dia midika ho fahazoana antoka, miantehitra amin’Ilay „Andriamanitry ny fanantenana”, „Ilay Marina”. Azo antoka avokoa ny zavatra rehetra eo aminy, ny Teniny no fahamarinana. Izy dia te hanome anao fahasambarana ankehitriny sy mandrakizay, hoavy sy fanantenana (Jeremia 29:11). Ho amin’izany dia nomeny ny Zanany ! Izay mino an’i Jesosy, maty teo amin’ny hazofijaliana mba hanonitra ny fahotana, dia mahita ny fiadanana miaraka aminy sy ny fiainana mandrakizay. Kristy no mameno ny fony, ary ny fatokiany dia miorina eo aminy, eo amin’ny maha Izy Azy sy izay nataony, ary izay ampanantenainy. Noho izany ny kristiana, izay miantehitra amin’ireo zavatra azo antoka ireo, dia afaka miatrika am-pahatoniana ireo fitsapana mandalo eo amin’ny fiainana, afaka mitsinjo ny fahafatesana, eo am-piandrasana azo antoka sy tsy mihozongozona, fotoana feno fahasambarana mandrakizay miaraka amin’i Jesosy Kristy, Izay antsoina mihitsy hoe „fanantenantsika” (1 Timoty 1:1).