Alahady 19 Mey 2024
(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany, tamin’ny andro nampiakarana Azy :) Fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. Asan’ny Apostoly 1:5
Fa hahazo hery ianareo, amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema… ary hatramin’ny faran’ny tany. Asan’ny Apostoly 1:8
Nandritra ny telo taona mahery ny mpianatr’i Jesosy dia nahita ny fiainany sy ireo fahagagana nataony. Vavolombelon’ny nahafatesany koa izy ireo. Azo antoka fa nisy olona maro hafa nanatrika izany. Ny mpianatra dia tena nahita sy nahare ny Tompo taorianan’ny nitsanganany velona indray, imbetsaka nandritra ny 40 andro, ary tsy tamina fisehoana mihelina fotsiny. Nisy mpino mihoatra ny 500 aza niara-nisehoany (1 Korintiana 15:4-8).
Tamin’ny andro hiakarany, talohan’ny „nampiakarana Azy” tany an-danitra (Asan’ny Apostoly 1:2), dia niresaka farany tamin’ny mpianany ny Tompo, nampahatsiahy azy ireo ny asa anirahany azy ireo : „(Ianareo) ho vavolombeloko… hatramin’ny faran’ny tany”. Izy ireo anefa dia nandao ny Tompony tamin’ny fotoana nisamborana Azy, i Petera nandà Azy rehefa notsaraina Izy, ary saika izy rehetra no namela Azy ho irery teo amin’ny hazofijaliana. Koa ahoana àry ankehitriny no hahafahan’izy ireo ho vavolombelony ? Nolazain’ny Tompo azy ireo fa „hahazo hery” izy ireo, dia ny Fanahy Masina, Izay hilatsaka amin’izy ireo „rehefa afaka andro vitsivitsy”.
Nandritra ireo andro niandrasan’ny mpianatra ireo dia mety nanontany tena izy ireo hoe ahoana ny ho fisehon’izany zava-miafina ho tonga izany. Nefa nijanona niaraka izy ireo, niray saina naharitra nivavaka (Asan’ny Apostoly 1:14), ary koa nihaino ny Soratra Masina. Nankatò izy ireo, ary nijanona tao Jerosalema, araka ny nandidian’ny Tompo. Ary tamin’ny Andro Pentekosta, teo am-pivavahana izy ireo no nidina tamin’izy ireo ny Fanahy Masina. Ny vokatr’izany voalohany dia niteny tamina fiteny maro samihafa izy ireo, ka afaka nijoro ho vavolombelona teo anatrehana vahiny maro tao Jerosalema, tamin’ny fiteniny avy.