Alatsinainy 20 Mey 2024

(Hoy Jesosy :) Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Jaona 14:26

Raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra. Jaona 16:13

 

Ny Fanahy Masina ao anatin’ny mpino

Ny Fanahy Masina nampanantenain’ny Tompo Jesosy dia nidina tetỳ an-tany tamin’ny Andro Pentekosta (Asan’ny Apostoly 2). Nandeha ny fotoana, ary vitan’i Satana ny nanamaizina sy nanakona ny maha zava-marina io fisian’ny Fanahy Masina ao amin’ny mpino io. Kristiana firy moa no mba mahatsapa hoe ny Fanahy Masina anie ka tsy hery na loharanon-kery avy amin’Andriamanitra fotsiny ihany, fa tena Andriamanitra mihitsy ? Firifiry ny tsy mahazo antoka fa monina ao anatiny io Andriamanitra Fanahy Masina io ? Nefa ny Tenin’Andriamanitra dia manambara mazava izany. „Ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra” (1 Korintiana 6:19). „Ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy” (Romana 8:9).

Raha toa isika tena mahatsapa marina fa mitoetra ao amin’ny mpino tsirairay Ilay Andriamanitra Fanahy Masina (Efesiana 1:13 ; 2 Korintiana 1:22) ary te hitantana sy hitondra ny fiainantsika araka ireo fiheviny, dia hiova noho izany ny fiainantsika ! Raha toa ny Fanahy Masina ka hery fotsiny ihany miasa ato anatiko, dia ho afaka manao vinavina aho ary ho afaka manatanteraka izany noho ny fanampiana raisiko amin’ny ampahany avy amin’io hery io. Nefa kosa raha monina ato anatiko io Andriamanitra Fanahy Masina io, dia tsy misy na inona na inona tokony hataoko, afa-tsy ny manaiky hampiasainy. Tsy izaho intsony no miasa, fa fitaovana ampiasain’Andriamanitra aho. Tombontsoa manokana toy inona moa ny hoe ampiasain’Ilay Andriamanitra Tsitoha ! mba hanompo Azy sy hanatanteraka ny sitrapony.