Talata 21 Mey 2024
Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena ; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena. 1 Korintiana 12:26
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana. Galatiana 6:10
Iray tsy mivaky ny Tenan’i Kristy. Isika dia mifampiankina amin’ny rantsambatana rehetra, na fantatsika ireo na tsia. Anisan’ny Tenan’i Kristy isika, ka mahakasika antsika ny „fahasalaman” ’ny Tenan’i Kristy, ary tena misy io fifampiankinana io, na dia tsy tsapantsika aza izany fisiany izany. Izay ratra eo amin’ny rantsantanana dia tsapan’ny vatana manontolo. Toy izany koa, ny rantsambatana tsirairay dia misy fiantraikany amin’ny Tenan’i Kristy manontolo, ary ny toetra ankapoben’ny Tenan’i Kristy dia misy akony amin’ny rantsambatana tsirairay.
Na inona na inona fanaovako tsirambina, na fahadisoako, na ny fahatapahan’ny fiombonako amin’i Jesosy, dia samy fatiantoka avokoa, tsy ho ahy irery fa ho an’ny rehetra ihany koa. Ary mifanohitra amin’izany, izay fandresen’ny finoantsika, vavaka miafina, lesona voaray avy amin’i Jesosy, asa soa natao tamina mpino iray, dia soa ho an’ny Tenan’i Kristy manontolo.
Ny kristiana iray dia tsy tokony hikatona noho ny fitiavantenany ao amin’ny fiainany anaty. Tsy araka ny tokony ho izy ny tsy firaharahana ny rantsambatana hafa an’ny Tenan’i Kristy. Mifanohitra amin’izany, isika dia tokony haniry hizara ny fifaliana sy fahorian’ny rantsambatana hafa an’io Tenan’i Kristy io, toy ny hoe fifaliantsika na fahoriantsika manokana izany. Porofo mivaingana mampiseho fitiavana kristiana lalina sy marina izany : „Ry malala, aoka hifankatia isika ; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra” (1 Jaona 4:7).
Zava-dehibe ny hoe mitoetra mandrakariva ao amina fifandraisana velona sy marina amin’i Kristy, Ilay Loha, ny rantsambatana tsirairay, sady mihazona hatrany fifamatorana akaiky amin’ny mpino tsirairay. Dia ho afaka mitombo amina fomba mirindra ny Tenan’i Kristy manontolo.
(tapitra)