Alarobia 22 Mey 2024
(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, satria… ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39
Ny teniko… mahatanteraka ary ambinina amin’izay ampandehanako azy. Isaia 55:11
Tamin’ny taona 1968, tany Devon, any Angletera, dia nahitana teny an-torapasika, tavoahangy maitso matroka rakotra zavatra maditidity ary nihidy tsara. Nisy taratasy-na tantsambo iray nalefany ho an’ny rahalahiny tao anatiny, miaraka amina velaran-tsary voakaly tsara. Teo amin’izany sary izany dia nahitana marika kely manoro harena be miafina ao anatina fanambanin-trano iray. Ilay tavoahangy dia natsipy avy eny ambony sambo teny amin’ny ranomasina Mainty tamin’ny taona 1843. Tonga tany amin’ny toerana nitodiany ilay taratasy 125 taona tatỳ aoriana.
Ny Baiboly ve tsy tahatahaka izany tavoahangy izany ? Nandehandeha efa ho 2000 taona izy, raha ny ampahany voasoratra faramparany no jerena*. Saingy tsy mba mihidy kosa izy ; mifanohitra amin’izany aza, fa izy no boky miely indrindra eran’izao tontolo izao. Ny hafatra entiny dia mbola manan-kery ankehitriny, ary natao ho an’ny olona rehetra. Izy koa dia ahafahana mahita harena be.
Io harena io dia ny hafatra avy amin’Andriamanitra ho an’ny olombelona, hafatra fintinin’ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).
Mba efa tonga hatrany aminao ve io hafatra mahafinaritra io ? Noho izany, vakio tsara izy, am-panetrentena, ary tsy an-kanao fitsarana an-tendrony. Angataho Andriamanitra hanampy anao hahatakatra ho anao manokana ny hevitra lalina ampitain’io hafatra io. Meteza hohazavain’ny fahazavana avy amin’io Teny io. Hampiaiky anao ireo sakantsakana miafina tsy mamela anao hanatona an’Andriamanitra izy io, ary indrindra, ho fitaovana hanafaka anao amin’ireo sakantsakana ireo. Ho fantatrao Ilay mameno ny Baiboly manontolo, dia ny Tompo Jesosy tenany mihitsy.
* Ny Testamenta Vaovao, fizarana faharoa ao amin’ny Baiboly.