Alakamisy 23 Mey 2024
Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. Salamo 16:1
Dia naneso (an’i Jesosy voahombo)… ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe :… Natoky an’Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahiny Izy. Matio 27:41, 43
Salamo nataon’i Davida io, tanisaina ao amin’ny Testamenta Vaovao (Asan’ny Apostoly 2:25-28), miresaka indrindra an’i Jesosy, ary manomboka amin’ny fanambarana hoe : „Mialoka aminao aho”.
Izany fatokiana an’Andriamanitra izany dia tsy mba nananan’ireo razantsika voalohany. Nisalasala ny amin’ny tenin’Ilay Mpahary azy i Adama sy Eva, ary nino ny tenin’ilay „mpandainga” (Jaona 8:44). Ilay Zanak’Andriamanitra kosa, tonga tetỳ amin’izao tontolo izao tahaka ny hoe olona, dia natoky tanteraka an’Andriamanitra. Amin’izany Izy dia namerina tamin’Andriamanitra ny haja nangalarina taminy dieny vao nanomboka ny tantaran’ny zanak’olombelona.
Fony teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, dia nihiaka sady naneso Azy ireo fahavalony, hoe : „Natoky an’Andriamanitra Izy”. Eny, voambara ampahibemaso tamin’izany ny fatokian’i Jesosy an’Andriamanitra. Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana toy ny jiolahy Izy, nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra sy nizaka ny fanasaziana vokatry ny fahotantsika. Tsy resahina ao amin’ny Salamo 16 ny fijaliana faratampony niaretan’i Kristy, Izay nanonitra ireo fahotantsika. Resahina kosa ireo ao amin’ny Salamo 22, ahitana hoe : „Nampandry ahy feizay Ianao…” (and 9). Tsy misy na inona na inona afaka manimba ny fitiavan’i Jesosy an’Andriamanitra, tsy misy fisalasalana manelingelina ny fony. Natoky hatrany Izy, namakivaky ny fahafatesana : „Ny marina matoky, na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza” (Ohabolana 14:32).
Rehefa nanolotra ny fanahiny Jesosy, dia mbola nametraka hatrany ny tenany teo ambany fiahian’Andriamanitra Rainy : hiaro Azy tsy ho tratran’ny fahalovana Andriamanitra, ary hanangana Azy ho velona indray. Ny Salamo 16 tokoa mantsy dia mifarana amin’ny hoe „fahavokisam-pifaliana”, eo ankavanan’Andriamanitra.
Izany dia ohatra anehoan’ny Tompontsika fatokiana tsy misy fetra ny Rainy… Ndao haka tahaka Azy !