Zoma 24 Mey 2024

Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe :… Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. Asan’ny Apostoly 4:19-20

Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. Jaona 7:46

 

Ry rafi-pitondrana lahika mangeja anay…

Ny rafi-pitondrana manasaraka ny Fiangonana sy ny Fanjakana dia iray amin’ireo foto-kevitra navoaka ho lalàna ary ijoroan’ny fiarahamonina frantsay. Tsy tokony hanakorontana ny raharaham-bahoaka ny finoan’ny olona tsirairay. Nefa tsy marina ny hevitra aroso indraindray, hoe manohitra ny finoana ara-pivavahana ny rafi-pitondrana lahika. Izy io dia mifanaraka amin’ny Fanambarana manerantany ny Zon’ny Olombelona, izay milaza fa ny olona tsirairay dia „afaka maneho malalaka ny antokom-pivavahany sy ny maha resy lahatra azy”. Koa raha takatra tsara izany ny rafi-pitondrana lahika, dia ahafahana manambara hevitra sy fahasamihafana, ao anaty sehatra iray voafaritra.

Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa tsy nanana zo hanambara ampahibemaso ny finoany ireo kristiana voalohany. Maro ny maty maritiora satria tsy nahavita tsy nanambara ny vaovao mahafaly milaza ny fitiavan’Andriamanitra ny olona rehetra, ary nisafidy hankatò an’Andriamanitra fa tsy ny olona. Ankehitriny izany fahafahana izany dia tsy misy manerana ny tany rehetra. Fa misy any Frantsa kosa !

Koa te hilaza aminao izahay fa misy Andriamanitra lehibe manana fitiavana lehibe anao, ary manolotra ho anao famonjena lehibe. Te hilaza aminao fa raha tsy mandà avy hatrany ny Filazantsara ianao, satria tsy mihevitra azy ho hadalana, fa manaiky hamaky azy sy hanome toerana azy eo amin’ny fiainanao, dia hahita zava-mahagaga hatrany hatrany. Ny Baiboly dia miresaka „varavaram-panantenana” amintsika (Hosea 2:17). Sahia manokatra kely io varavarana io, tahaka faravodilanitra vaovao tsy misy fetra. Inona moa no atahoranao ? afa-tsy ny hoe hahita fa miantefa aminao sy ny ankohonanao koa ny fitiavan’Andriamanitra, izay hita maso ao amin’i Jesosy Kristy.