Asabotsy 25 Mey 2024

(Hoy Jesosy :) Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy. Jaona 10:9

Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Ny vavahadin’ny paradisa

Any Florence (Italia) dia ahitana santionany iray amin’ireo sangan’asa kanto lehibe indrindra tamin’ny taonjato faha 15 sy 16, antsoina hoe ny Varavaran’ny Paradisa. Varavarana halimo io, miloko ranom-bolamena, namboarina mpanao asa kanto maro nandritra ny 27 taona, mampiseho tantara folo malaza ao amin’ny Testamenta Taloha. Michel-Ange, tohina tamin’ny hakantony, no nanome azy io anarana io.

Fanontaniana iray no mipetraka : Ankehitriny ve misy varavarana idirana any am-paradisa, any amin’izay onenan’Ilay Andriamanitra Mpahary ahy ? Tsy afaka ho asa kanto noforonin’ny sain’olombelona na namboariny io. Sady inona koa moa no ho saran’ny hidirako ao ? Asa soa nataoko ve ? Sa fiainana „ara-dalàna” araka ny fijerin’ny olona ?

Tsia, ny varavarana ahafahana manatona an’Andriamanitra dia Olona iray : Jesosy Kristy Zanany. Izay olona miditra amin’ny alalany, dia ho voavonjy. Tahaka mpiandry ondry tsotra mitari-dalana, mitsabo, mamonjy, manangona, mametraka ny ondriny amina toerana voaaro, dia toy izany ny Kristy, ho an’ireo rehetra nifanena taminy, indrindra ireo voaratran’ny fiainana.

Androany dia mbola miantefa amintsika ny hafatra entiny : „Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” (Jaona 10:11). Araka izany, Jesosy no varavarana tokana mampiditra antsika ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, satria Izy nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana mba hanadio antsika ho afaka amin’ny otantsika. Ny finoana manokana ny sorona nataon’i Kristy no manamarina antsika eo anoloan’Andriamanitra. Koa toy ilay jiolahy nibebaka nohomboana teo anilan’i Jesosy (Lioka 23:39-43), dia hiditra „avy hatrany” ao am-paradisan’Andriamanitra isika, rehefa handao ity tany ity.

Mbola mivoha izany varavarana izany androany.