Alahady 26 Mey 2024

Ary nandray mofo Izy (Jesosy), ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako, izay omena ho anareo ; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy : Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo. Lioka 22:19-20

 

Olona telo hadino

Efa mba nanao soa olona ve ianao, nefa hadino avy eo ?

— Josefa tany Egypta, voampanga tsy ara-drariny ary nogadraina, dia nanampy mpiasam-panjakana ambony iray tao an-tranomaizina. Nanantena izy fa hamoaka azy avy ao am-ponja io olona tsara toerana io. „Kanjo tsy mba nahatsiaro an’i Josefa ilay lehiben’ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy” (Genesisy 40:23). Roa taona tatỳ aoriana izy vao hiresaka amin’i Farao momba ilay tovolahy Hebreo.

— Nitantara i Solomona hoe : „Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy… Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo” (Mpitoriteny 9:14-15).

— Mordekay dia nampitandrina ny mpanjaka tamina fiokoana kononkononina tandapany roa lahy. Tatỳ aoriana dia nanontany tena ny mpanjaka hoe : „Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’i Mordekay noho izany ? Fa hoy ny zatovon’ny mpanjaka… : Tsy mbola nisy nomena azy” (Estera 6:3). Koa dia nanapa-kevitra ny mpanjaka hanome voninahitra azy.

Ry kristiana, mampahery antsika ireo ohatra ireo : hitan’Andriamanitra avokoa izay tsara rehetra ataontsika, na tsy manome sitraka izany mandrakariva aza ny mpiara-belona amintsika.

Ndao hihevitra indrindra ny Tompo Jesosy Kristy, Izay nietry, tahaka olona mahantra, ary namonjy, teo amin’ny hazofijaliana, ireo olona marobe izay mino Azy. Isika ve mba anisan’ireo mihevitra Azy sy manome voninahitra Azy isanandro ? Mba maniry hahatsiaro Azy ve isika, ka mandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo ? „Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy”.