Alatsinainy 27 Mey 2024

Hoy Jesosy taminy :… Manaraha Ahy ianao. Jaona 21:22-23

Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy : Raha misy ta hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Marka 8:34

 

Manaraha Ahy ianao !

Imbetsaka Jesosy ao amin’ireo filazantsara no nilaza tamin’olona hoe : „Manaraha Ahy”. Nolazainy izany tamina fihaonana voalohany tamin’i Matio, izay nipetraka teo am-pamorian-ketra (Matio 9:9), ary nolazainy an’i Petera ihany koa (Jaona 21:23), rehefa hifarana ny fotoana lava niarahany tamin’i Jesosy. Ankehitriny dia tsy etỳ an-tany intsony Jesosy, koa inona no hevitry ny hoe „manaraka an’i Jesosy” ?

Rehefa manaraka olona isika, any amina lalana anaty ala, ohatra, dia tsy isika no misafidy izay haleha, fa ilay arahintsika.

Ny hoe manaraka an’i Jesosy dia mihaino Azy ao amin’ny vavaka sady mamaky ao amin’ny Baiboly ny Teniny voasoratra, mba hahafantarantsika izay tokony hataontsika, izay tokony hosafidintsika. Izany koa, araka ny nolazain’i Jesosy, dia midika hoe mitondra ny hazofijalian’ny tena, izany hoe, mandà ny tena, mandà ny sitrapon’ny tena, mba hiroso ao amin’izay lalana soritany ho antsika.

Ny hoe manaraka an’i Jesosy dia manaiky ho mpianany, manaiky amin’ny fo ny fampianarany. Mety ho voakorontana ny fahazarantsika, ary tokony hiomana amin’ny tsy ampoizina isika, ho vonona hamoy zava-mampiadana antsika.

Ny hoe manaraka an’i Jesosy dia manaiky hankatò Azy. Rehefa mamaky ny Baiboly aho dia mahatakatra fa tokony hanao izatsy zavatra izatsy na izaroa (ohatra mangataka famelana fahadisoana amin’olona iray) ; rehefa manao izany aho, dia izay no atao hoe manaraka an’i Jesosy.

Ny hoe manaraka an’i Jesosy dia manaiky koa ny maha izaho ahy, miaraka amin’ireo tsiniko, ireo faniasiako, mba hanaiky hamboariny. Ao amin’ireo filazantsara, matetika ny teny hoe „manaraka” dia andikana teny milaza hoe „miara-dalana”. Ny hoe manaraka an’i Jesosy, dia miresaka aminy, mihaino Azy toy ny rehefa miara-dalana amina namana iray.