Talata 28 Mey 2024

Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana. Fa ny jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany ; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. Kanefa katsaho ny fanjakany ; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany. Lioka 12:29-31

 

Inona moa no tena ilaintsika ?

Ao anatin’izao fiarahamonina misy antsika izao, fiarahamonina manindrahindra ny fanjifana, dia maro tsy tambo isaina ny faniriana tiantsika hotanterahina. Ahoana no hanavahana ny mahasoa sy ny haitraitra ? ny ilaina sy ny tsiriritina ? Ny Frantsay hono izao dia manjifa intelo avo heny noho ny tamin’ny taona 1960. Nefa nihasambatra kokoa ve izy ireo ?

Eo amin’ny lafiny ara-toe-tsaina sy ara-panahy isika dia mila fiadanam-po sy fahasambarana… Fony niaina teto anivon’ny olona Jesosy dia namoky vahoaka maherin’ny 5000 tamina mofo dimy sy hazandrano roa (Jaona 6:5-14). Nisy nanaraka Azy mba hanararaotra io toejavatra io. Nefa nasehony koa fa tonga Izy mba hamaly filana lehibe lavitra kokoa. Namaly ireo filan’ny vatana ny mofo sy ny hazandrano. Nefa Jesosy kosa dia nilaza ny tenany ho Ilay „mofon’aina”, Ilay manome ny fiainana mandrakizay. Io kisarisarin’ny mofo io dia famantarana mampiseho fa Izy dia nitondra karazana aina hafa, tena ilaintsika. Koa anjarantsika izany ny mandray io aina io.

Ny finoana no ahafahako manao izany : mino fa Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga mba ho teraka teto amin’ity tontolo ity, niaina teo anatrehan’Andriamanitra tao anatina vatan’olombelona, vatana lavorary. Tao anatin’io vatana io mantsy Izy dia nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, maty hamonjy ahy ; latsaka teo ny rany mba hamafa ireo fahotako… ; farany Andriamanitra dia nanangana Azy ho velona indray. Ny hoe „mihinana ny mofon’aina”, izay manome be dia be ho ahy ny fiainana mandrakizay, dia midika fa ekeko ao am-poko ireo hatsara rehetra ananan’i Kristy ireo, ananan’ny sorona nataony ary ananan’ny nitsanganany velona indray.