Alarobia 29 Mey 2024
Mihary harena izy, nefa tsy fantany izay ho tompon’izany. Salamo 39:6
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy… mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra. Matio 6:19-20
Taona 1812 tamin’izay. Nandositra nihemotra ilay Tafika Lehiben’i Napoléon, namakivaky ny lemaka midadasika rosiana, teo anivona fijaliana tsy hay tantaraina vokatry ny hatsiaka, ny harerahana ary ny tsy fisian-kanina. Mba hanalefahana ny fijalian’ireo miaramila trotraka, dia notapahina ny hevitra fa havela ny harena nobaboina : ireo kesika mavesatra feno volamena nalaina tamin’ny mponina tany Moscou.
Koa nifandrombaka ireo harena efa horakofan’ny ranomandry ireo ny miaramila, izay zara raha nanana hery kely hoenti-mikisaka. Nefa rehefa nahazo hery kely nibatana ireo fonjam-bolamena sy nanao dingana vitsivitsy ny tsirairay tamin’ireo miaramila mahonena ireo, dia nianjera tsy tafarina intsony. Dia tonga avy any aoriana indray ny miaramila hafa ka naka ilay sila-bolamena teny an-tanan’ilay miala aina, ary niady koa mandra-paharerany, tahaka hazakazaka mampalahelo ifandimbiasana. Nitantara ity vavolombelona mba hendry ka nahatohitra ny fakam-panahy, hoe nahita bolongam-bolamena iray niova tanana sy nahafaty olona telopolo mahery nisesy.
Izany ka sary manaitra maneho ny fitsiriritan’ny olombelona, mitondra azy ho amin’ny fahafatesana ! Mifikitra amina harenan-tany tsinontsinona ny olona, mihevi-tena ho tompon’izany, nefa andevony. Ho avy ny fotoana handaozana izany, ka inona no ho eny ampelatanana rehefa tonga any amin’ny tany tsy misy ilana ny volamena ?
Ndao hibanjina ny tena harena, izany hoe ireo izay omen’Andriamanitra. Ireo dia raisina maimaimpoana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy, finoana mamonjy antsika. Izy tenany no miteny amintsika hoe : „Manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany” (Lioka 12:33).