Alakamisy 30 Mey 2024
Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. 1 Timoty 6:8
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo ; fa hoy Izy : „Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. Hebreo 13:5
Tsy fahafaham-po
Olona maro, tsy afa-po amin’ny fiainany, no miandrandra zavatra hafa noho izay iainany andavanandro. Mikolokolo io tsy fahafaham-po io ny fiarahamonina misy antsika, fiarahamonina manindrahindra ny fanjifana, ary mampiasa azy io mihitsy aza, mba hahazoana tombom-barotra. Nefa tsy tandrina akory ny tsy fahafaham-po dia manokatra lalana ho amina ratsy maro. Ny Baiboly dia mampianatra mazava fa „tombony lehibe” (1 Timoty 6:6) ny mifaly amin’izay ananana sy miaina eo akaikin’Andriamanitra (ny toe-panahy araka an’Andriamanitra). Misy lanjany lehibe „ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana”.
Ny mpino dia faly amin’izay hitan’Andriamanitra fa tsara omena azy am-pahendrena sy am-pitiavana. Ampiasainy am-pankasitrahana sy am-pahalalahan-tanana ny fananana omena hotantanany.
Fony tany an-tranomaizina ny apostoly Paoly dia nianatra ny ho afa-po eo amin’izay toejavatra niainany (Filipiana 4:11). Isika ve mba te hianatra izany koa ? Ny mpino Hebreo dia nanaiky tam-pifaliana hahafoy ny fananany, satria nahafantatra fa manana „fananana tsara lavitra sady maharitra” (Hebreo 10:34). Asehon’izany mazava tsara fa ny tsiambaratelo mba ho faly amin’ny toerana misy antsika dia tsy ao amin’ny toejavatra mitranga eo amin’ny fiainantsika tsy akory, fa ao amin’ny toe-pontsika. Zava-dehibe fototra ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’ny Tompo. Ndao hivavaka mba hahaizantsika miaina ny tononkira hoe :
Eo amin’Andriamanitra no iantombenan’ny finoako. — Ho foana ve ny fanarahako Azy,
Sa hisy zavatra hafoiko, — Raha Izy mihitsy no tombony ho ahy ?
Raha ny harenan’ny tany — No mitady hanakana ahy,
Dia ny heriny tsy hita fetra — No mahatonga ahy handà izany.