Zoma 31 Mey 2024
Fa tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany. Romana 1:16
Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana. 1 Korintiana 2:2
„Ny Filazantsara dia tsy fehezan-dalàna ara-pitondrantena na fitambarana soatoavina. Ny Filazantsara dia ny tenan’i Jesosy Kristy sy ny asa nataony. Ny Filazantsara dia midika hoe Vaovao mahafaly ; io vaovao mahafaly io dia tonga nofo tao amin’ny tantara : Jesosy dia efa nambaran’ny mpaminany mialoha, avy amin’ny fianakavian’i Davida Izy. Nefa io vaovao mahafaly io dia nampitsimbadika ihany koa ny tantara : maty sy nitsangana velona indray Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra.
Jesosy Kristy no Filazantsara, ka noho izany, ny hoe mandray ny Filazantsara dia hoe mifanena amin’ny Kristy. Azo antoka fa hisy vokany maro io fifanenana io, hanova ny fiainantsika, ny fahitantsika an’Andriamanitra, ny fahitantsika izao tontolo izao, ary ny fahitantsika ny tenantsika.
Jesosy Kristy no Filazantsara, ka noho izany, ny hoe manambara ny Filazantsara dia hoe mijoro ho vavolombelon’i Jesosy Kristy, mitantara Azy. Izany indrindra no ataon’ireo filazantsara efatra ! Isika ve tsy nantsoina mba hanao toy izany koa ao amin’ny fijoroantsika manokana ho vavolombelona ? Mitantara ny Kristy ambara amintsika ao amin’ny Baiboly, ary mitantara ny Kristy eo amin’ny fiainako.
Jesosy Kristy no Filazantsara, ka noho izany, ny atao hoe tsy mivadika amin’ny Filazantsara dia hoe tsy mivadika amin’ny Kristy. Tsy ho mpampiroborobo soatoavina kristiana na fitondrantena ara-toe-panahy tsy akory. Fa ny andraikitsika voalohany dia ny ho mpianatr’i Kristy. Ary ny hery nananganana ny Kristy tamin’ny maty koa no miasa eo amin’ny fiainantsika, mba hahatonga antsika ho ilay „espistilin’i Kristy”, vakin’ny mpiara-belona amintsika ankehitriny (2 Korintiana 3:3).
Ny Filazantsara dia Jesosy Kristy. Izay fotsiny.”
araka an’i Vincent M.