Asabotsy 1 Jona 2024

(Hoy Jesosy :) Koa aza matahotra ; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. Matio 10:31

Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao. Ohabolana 3:5

Aza entina amin’izany ny fahendrenao. Ohabolana 23:4

 

Carpe diem

Io fitenin’ilay poeta latina Horace io dia midika hoe : hararaoty ny andro androany, ary matetika ampiasaina amin’ny heviny hoe : manararaotra ny fiainana fa tsy miahiahy ny amin’ny ampitso.

Misy tenin’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara, toa mitovitovy amin’izany, nefa dia hafa tanteraka ny dikany, manao hoe : „Aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy” (Matio 6:34). Milaza mazava tsara ny Baiboly hoe nahoana no tsy tokony hanahy : „Apetraho aminy (amin’Andriamanitra) ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7). Ndao tsy hiantehitra amin’ny herin’ny tenantsika samirery na amin’ny herin’ny hafa, fa hitoky amin’Andriamanitra.

Matetika isika dia miolakolaka ao amina fihetsika roa mametraka antsika, na ao anaty tsy firaharahana mahameloka, na ao anaty fanahiana vokatry ny adin-tsaina. Ara-dalàna ny fiheverana ireo olana mety hitranga, ny fitsinjovana sy ny fiomanana amin’izay zavatra mety hangatahina amintsika, nefa tian’Andriamanitra kosa isika tsy hanahy ny amin’ny ampitsontsika. Ny fahasahiranan-tsaina tafahoatra anefa, matetika, dia mitarika ny fisainantsika ho amina fiheverana toejavatra mety tsy hitranga akory, na oviana na oviana ! Manana Ray Tsitoha tia antsika sy mifehy ny zavatra rehetra isika. Ndao àry hahita isanandro izay nomanin’Andriamanitra lalandava ho antsika am-pitiavana. Ndao hametraka ny fitokiantsika amin’ny Tompo, amin’izay ilaintsika isampotoana, sy hitoetra milamina momba ny hoavy. Tsy hoe satria efa voavinavinantsika mialoha avokoa tsy akory ny zavatra rehetra, fa satria isika hiantehitra, amin’ny alalan’ny finoana, amin’ny fon’Ilay Andriamanitsika.