Alahady 2 Jona 2024

Mba ta hahita an’i Jesosy izahay. Jaona 12:21

Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. Jaona 20:20

 

Mitory ny Kristy

Tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoako amin’ny maha pasitera ahy aho dia nanapa-kevitra fa ho feno fisaintsainana lalina ny toriteniko. Ho amin’izany aho dia nianatra andro aman’alina famakafakana ara-Baiboly. Nefa hita miharihary fa nihena ny isan’ny mpihaino. Koa vao mainka aho niezaka mafimafy kokoa tamin’ny fikarohako : saingy tsy nisy fihatsarany. Indray alahady, nanokatra ny Baiboly teo ambonin’ny polipitra tao amin’ny efitrano fivoriana aho, ary nahita taratasy nisy soratra hoe : „Maniry ny hahita an’i Jesosy izahay”.

Nony nody tany an-trano aho, very hevitra sy sahiran-tsaina, dia nieritreritra ny hevitr’io hafatra io. Naveriko novakina ilay lahatsoratra nomaniko hotorina : hevitra mahafinaritra, angamba, saingy tany anjorony tany ny momba an’i Kristy sy ny asany mba hamonjeny antsika. Nalahelo aho ary niaiky tamin’ny Tompo ny fahadisoako, niaiky fa nitady hanompo Azy araka ny fisainako manokana. Dia nibahana tao an-tsaiko ny fihetsiky ny apostoly Paoly hoe : „Tsy tonga tamin’ny teny sy fahendrena marevaka [aho], raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’Andriamanitra. Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana” (1 Korintiana 2:1-2).

Nomban’ny fanampian’Andriamanitra aho, nifikitra nitory ny Kristy. Nanomboka hatreo dia nifoha ny aina ara-panahy, nahita indray ny fifaliana sy ny fampaherezana tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra ireo mpino. Nandritra io vanimpotoana io aho, indray andro, dia nahita taratasy faharoa tao anatin’ny Baiboly teo ambonin’ny polipitra, taratasy nosoratan’ilay olona teo aloha ihany, hoe : „Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo”.

(araka ny tantara iray tamin’ny taonjato faha-19)