Alatsinainy 3 Jona 2024
Zanako Ianao, Izaho niteraka Anao androany. Salamo 2:7
Fa Izy no Andriamanitsika… Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe : Aza manamafy ny fonareo. Salamo 95:7-8
Lioka, ao amin’ny filazantsara nosoratany, dia mampiasa matetika ny teny hoe anio, androany, rehefa miresaka an’i Kristy. „Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo” (Lioka 2:11). — Jesosy no Ilay Mpamonjy.
Jesosy, „nony namelatra ny boky… dia nahita ny teny voasoratra hoe : Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy ; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina, hitory ny taona ankasitrahin’i Jehovah… Ary Jesosy niteny taminy hoe : Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany” (Lioka 4:17-19, 21). — Jesosy no Ilay Mesia nambaran’ny Soratra Masina.
„Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra, ka nanao hoe : Efa nahita zavatra mahagaga isika androany” (Lioka 5:26). — Jesosy manasitrana marary.
„Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana ?” (Lioka 12:28) — Jesosy mikarakara antsika.
„Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary rahafakampitso dia hotanterahina ny amiko. Nefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy rahafakampitso ; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema” (Lioka 13:32-33). — Jesosy dia efa tapa-kevitra hizotra ny lalany mankany amin’ny hazofijaliana.