Talata 4 Jona 2024

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

Aza matahotra ; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita. Apokalypsy 1:17-18

 

Androany, anio (2)

Tohizantsika ny famakiana ireo teny ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Lioka, izay mbola manintona ny saintsika amin’ny teny hoe androany, anio.

„Ry Zakaiosy, midìna faingana ; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio… Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa” (Lioka 19:5, 9). — Jesosy izao dia te haka ny toerany eo amin’ny fiainantsika.

Hoy Jesosy : „Lazaiko aminao, ry Petera : Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao” (Lioka 22:34). — Jesosy dia mahalala ny fahalementsika ary mampitandrina antsika.

Hoy ny iray tamin’ireo jiolahy teo amin’ny hazofijaliana tamin’i Jesosy : „Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”. Hoy Jesosy namaly azy : „Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:42-43). — Jesosy dia manome antsika fanantenana sy fifamotoanana aminy any am-paradisa.

Ny alahady nitsanganan’i Jesosy ho velona indray dia nifampiresaka ireo mpianatra roa lahy teny an-dalana ho any Emaosy hoe : „Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Israely ; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatrizay nahatongavan’izany. Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahavery hevitra anay, fa tany amin’ny fasana marainakoa izy, ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy”. — Jesosy dia nitsangana velona indray tamin’io andro io, dia ny andro voalohany amin’ny herinandro, ny alahady voalohany. Velona Izy ankehitriny !

(tapitra)