Alarobia 5 Jona 2024

Jesosy Kristy Tompontsika… nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao. Galatiana 1:3-4

 

Fahafoizantena

Tany Chine no nitranga ny tantara. Nisy mpamboly vary iray sondriana niasa teo amin’ny tanimbariny teny an-kavoana akaikin’ny moron-dranomasina. Tampoka teo dia nisy rivotra mahery nitsoka sy horohorontany nanozongozona ny saha. Tsikaritr’ilay tantsaha àry fa nisintona tampoka niala ny torapasika ny ranomasina. Izany dia fambara ny hiaviana tondradrano goavana handrakotra ny tanimbary rehetra eny amin’ny moron-tsiraka iasana tantsaha maro, izay tsy mahatsapa akory ny loza mitatao.

Ahoana no hampandrenesany ny mpiara-monina, momba ity antambo mananontanona ity ?

Nandoro haingana dia haingana ny tranom-bokany teny ambony havoana izy, ary nampaneno ny anjombona mampilaza haitrano. Taitra ireo tantsaha ka namela ny tanimbariny ary nihazakazaka mba hamonjy ity mpiray monina tra-doza. Rehefa tonga teny an-tampon’ny havoana izy ireo dia nivarahontsana nahita ireo onja vaventiben’ny tsunami, nanarona ny saha vao nilaozany. Tsy hitan’izy ireo ny fomba hisaorana ilay mpiray monina amin’izy ireo, noho ny fahafoizantenany, namonjy azy ireo tamina fahafatesana tsy ho azony nosorohina.

Izany tantara izany dia mampahatsiahy antsika an’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana, Izay nanolotra ny rehetra nananany, hatramin’ny ainy, mba hisorohana ny fijalijaliana mandrakizay ho an’ny olona. Ankehitriny Andriamanitra dia miantso ny olona tsirairay hanatona ny Tompo Jesosy, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, mba hahazo fahafahana.

Manatòna Azy izao, satria maika izany. Minoa ny Anarany, mba ho voafafa ny fahotanareo, ka tsy hiharan’ny fitsarana ianareo ary hanana ny fiainana mandrakizay.