Alakamisy 6 Jona 2024
Ary ilay tandapa (Etiopiana) namaly an’i Filipo ka nanao hoe : Masìna ianao, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany ? Ny tenany va, sa olon-kafa ? Ary Filipo… nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany, nitory an’i Jesosy taminy. Asan’ny Apostoly 8:34-35
Jiosy fiaviana izy, nobeazina tao anatin’ny fanaon-drazana. Avy eo izy dia naniry hahafantatra izay voasoratra ao anatin’ilay antsoiny hoe Baibolin’ny kristiana. Fony mbola zaza izy dia nahalala fa manana ny Baiboliny ny Jiosy, ary ny tsy Jiosy koa manana ny Testamenta Vaovao. Nampianarina azy fa tsy misy ifandraisany ireo boky roa ireo. Nolazain’ny raibe sy renibeny azy fa ny Testamenta Vaovao dia torolalana natao hanenjehana ny Jiosy. Nefa liana naniry hahafantatra izy, ka te hanamarina izany. Niafina izy, tany an-tranomboky, namaky ny Testamenta Vaovao ; ary avy eo nitantara hoe :
„Rehefa nanokatra ny Testamenta Vaovao aho, dia nanampo hahita boky milaza fanenjehana ny Jiosy… kanjo indro fa namaky tantarana Jiosy, nosoratana Jiosy !
Tetiaran’i Jesosy Ilay Mesia, zanak’i Davida, zanak’i Abrahama.
Olona telo no tanisaina ao anatin’io fehezanteny voalohany io, ary Jiosy avokoa ! Talanjona aho, ka nanohy namaky. Ilay izy dia tantarana lehilahy jiosy iray, teraka tao amina tanàna kely tao amina tany jiosy, niditra tao amina synagoga, indray andro, ary nanambara fa Izy no Ilay Mesia. Arakaraka ny namakiako ny tenin’i Jesosy no nahatonga ahy ho voasintony kokoa hatrany. Nahafinaritra izany, toy izay zavatra hafa rehetra novakiako tao amin’ny Baiboly. Rehefa nanomboka nino aho fa i Yesoa, Jesosy, no Ilay Mesia… zava-baovao hita toy inona moa izany ! Tsy mpamitaka Izy, fa tena Ilay nambaran’ny Soratra Masina.”
Izy tenany no niteny hoe : „Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy” (Jaona 5:39).