Zoma 7 Jona 2024

Sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra ; koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ny Tsitoha. Joba 5:17

Fa izay tian’i Jehovah no faiziny. Hebreo 12:6

Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko. Apokalypsy 3:19

 

Ny fomba ampisaintsainan’Andriamanitra antsika

Ao anaty trano iray manomboka mirehitra, misy olona renoky ny torimaso. Ampanenoina ny lakolosy kely fanairana, mba hamohazana azy, antsoina izy… Tokony hovohaina an-keriny ve ny varavarana, mba hamoahana azy tao am-pandriana ?

Indraindray Andriamanitra dia voatery miditra an-tsehatra amin-kery eo amin’ny fiainan’olona iray, mba hanesorany azy tao amina loza lehibe sy hamerenany azy eo amina lalana tiany hahitana azy miasa, mba hahasoa ny tenany.

Ny fitadiavana tombontsoa, ny hambompo, ny fikatsahana fahafinaretana dia miasa eo amintsika toy ny fanafody fampatoriana. Mba hamohazana antsika, Andriamanitra dia mety hampitranga zava-manahirana sy zava-tsarotra. Tsy mihaino io feo mampitandrina antsika io anefa isika, fa matetika aleontsika miala voly bebe kokoa hatrany, mba hahasondriana antsika sy hanalantsika tao an-tsaina ireny fampitandremana ireny.

Toy ny hataona ray aman-dreny malina amin’ny zanany mikiribiby hisedra ny loza, Andriamanitra dia mampiasa ny „fanitsiana”. Tia antsika Izy ka manitsy antsika, rehefa tsy henointsika ny torohevitry ny Teniny. Tarihin’Andriamanitra isika hahatakatra ny sitrapony, hanana fifandraisana mahatretrika aminy, ary fifandraisana akaiky kokoa. Ny tanjony dia ny fitahiana sy fahasambaran’ireo zanany. Rehefa miteny amintsika toy izany Andriamanitra, mba mihaino Azy ve isika ? na dia angatahiny hitodi-doha tanteraka aza.

Ry mpino namana, tsy tanjon’Andriamanitra velively izany fomba fitaizana izany, fa fomba hikasihany ny fontsika. Mampahafantatra antsika ny famindrampo sy fiantran’ny Raintsika io fomba io. Ndao anefa hotsarovana fa ny fitsapana rehetra dia fomba mitoetra hatrany hampisaintsainany antsika, fa tsy voatery foana hanitsiany zavatra eo amin’ny fiainantsika na fitondrantenantsika.