Asabotsy 8 Jona 2024
Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Matio 6:12-13
Ry malala, aza mamaly ratsy… fa voasoratra hoe : „Ahy ny famaliana ; Izaho no hamaly, hoy Jehovah”. Romana 12:19
„Matetika dia matetika aho no niteny hoe : „Mamela anao aho”, nefa amin’ny fotoana ilazako izany teny izany indrindra, dia mbola tezitra sy feno lolompo hatrany ny foko. Te hahare mandrakariva aho hoe manana ny rariny, na izany na tsy izany… Nefa ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra kosa dia tsy misy fepetra… Takiny aho hanadino ny faritra maratra ao amin’ny foko nijaly sy natao tsinontsinona tsy an-drariny.” (Henri N.)
„Hoy isika : Tena tsara izany ! raha toa ka manenina ilay olona ary mangataka famelana amiko, dia hamela azy aho. Ataontsika lalànan’ny atero ka alao ny famelan-keloka. Ary tsy mandeha na oviana na oviana izany, satria ny roa tonta dia samy manao hoe : „Aoka izy no hanao ny dingana voalohany”. Noho izany aho dia manara-maso amin’ny fijery-na sakabe, mba hahitako raha mandefa famantarana amiko izy na mba misy fikasana bitika kely hiala tsiny ao amin’ny taratasiny. Mila hamela heloka mandrakariva aho, saingy tsy mamela heloka na oviana na oviana.” (Helmutt T.)
Asehon’ny fanambaràn’ireo kristiana roa ireo antsika ny matetika mampahasarotra ny famelan-keloka. Andrasantsika hanatona antsika ilay nanafintohina antsika, hangataka famelana. Nefa raha mamela heloka amin’ny fontsika manontolo isika, toy ny namelan’Andriamanitra heloka antsika, dia hisolo toe-po mamela fahadisoana ny fahatafintohinana, fahatezerana ary faniriantsika hamaly faty. Ary ho afaka manampy kokoa ilay nanafintohina isika, mba hiekeny ny fahadisoany.
„Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe : Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy ? Hatramin’ny impito va ? Fa hoy Jesosy taminy : Tsy lazaiko aminao hoe : Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo” (Matio 18:21-22).
(hitohy amin’ny asabotsy telo manaraka)