Alahady 9 Jona 2024
(Hoy Petera tamin’ilay mpangataka :) Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao : Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. Ary noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany. Asan’ny Apostoly 3:6-7
Ianao izay misalasala eo amin’ny lalan’ny finoana, mba tiako ny hanampy anao hankeo amin’ny Tompo. Mba tiako aloha ny handrisika anao hanao dingana iray voalohany, dia ny mivavaka amin’ny Tompo Jesosy. Tsy fantatrao angamba hoe aiza ho aiza ianao izao, nefa takatrao ihany fa Izy no Ilay Mpamonjy, ary Mpamonjy velona. Noho izany dia afaka miresaka aminy ianao, manao vavaka tsotra dia tsotra mba handraisanao Azy. Raisiny ho matotra avokoa izay rehetra lazainao Azy, ary henony hatramin’ireo fisentoanao aza. Mitokàna ianao any amina toerana milamina, ary mitenena aminy amin’ny fiteninao, avy amin’ny fo.
Araka izany ianao dia afaka milaza amin’ny Tompo fa voamariky ny ratsy ny fiainanao, ao anaty tsy fahombiazana ianao, ao anaty fanahiana, fisalasalana, ary angamba matahotra ny fahafatesana… Lazao azy tsotra fotsiny hoe mila Azy ianao. Ny Baiboly dia miresaka olona maro nankeo amin’i Jesosy tamina teny vitsy monja. Afaka manao izany ianao anio !
Mieke fa hatreto ianao dia niaina araka izay nahafinaritra anao. Iekeo aminy ireo lainganao, ireo sain-dratsinao, ny fialonanao, ny fitondrantenanao ratsy… Ary indrindra, angataho aminy hoe : „Mamelà ny heloko ary diovy anie aho, raha sitrakao”. Hataony izany, satria Izy no Ilay Mpamonjy nomen’Andriamanitra antsika : maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba ho voavela daholo izay rehetra fahotantsika. Asaivo mitantana ny fiainanao Izy, asaivo manova anao manontolo. Afaka angatahinao koa Izy hanafaka anao amin’ny fatorana ratsy rehetra manakantsakana anao.
„Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah, dia hovonjena” (Asan’ny Apostoly 2:21). Ny hoe „miantso” dia mangataka fanampiana, miangavy mba hahazo vonjy. Ataovy dieny izao izany, aza mangataka andro ! Manatòna an’i Jesosy amin’ny alalan’ny vavaka. Horaisiny amin’ny tanany mahery ianao.