Alatsinainy 10 Jona 2024
(Hoy Jesosy :) Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Jaona 10:27-28
(Barnabasy) nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra. Asan’ny Apostoly 11:23
Ny Tompo Jesosy no Mpamonjinao, tsy hamotsotra ny tananao na oviana na oviana. Hanampy anao Izy, dieny amin’ny dingana voalohany amin’ny fiainana kristiana. Nankeo aminy tamin’ny vavaka ianao ; tohizo izany, ary hazony mandrakariva io fifandraisana io. Antsoy Izy amin’ny teny tsotra hoe : „Tompo Jesosy”.
Hamaly anao Izy, Ilay Mpiandry tsara. Hahafantatra ny feony ianao raha mihaino Azy, amin’ny famakiana ny Baiboly, izay hanatanjaka sy hampitombo ny finoanao (Romana 10:17). Rehefa mamaky ny Baiboly ianao, dia hahita herimpo sy fiadanana anaty, ho sambatra manaraka am-pahatoniana Azy, Ilay Mpiandry tsara.
Omen’io Mpiandry io fiainana mandrakizay ny ondriny (Jaona 10:28). Noho izany dia voaaro ianao : „Tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako”, hoy Izy amintsika. Midika izany fa halan’izao tontolo misy antsika izao ireo izay tia ny tsara, araka ny maha vavolombelon’i Kristy azy ireo.
Ny fifandraisanao aminy dia anao manokana sady tokana aman-tany. Na izany aza anefa, Jesosy dia miteny amin’ireo ondriny, ny andian’ondriny etỳ an-tany. Te hanangona ny ondriny ny Tompo. Raha manaraka io Mpiandry ondry io ianao, dia ataony mifanena amina mpino hafa, eo amin’izay toerana onenanao.
Tena ilaina ny fiarahana amina mpino hafa mba hamaky ny Baiboly, hiara-mivavaka sy mihira. Ireo fanao tarihin’ny Tompo Jesosy sy ny Fanahiny ireo dia mitahiry sy mampahery ny andian’ondry ao amin’ny finoana (Kolosiana 3:16).
Manontany tena ve ianao hoe ahoana no ahafahanao mitondra ny anarana hoe kristiana ? Amin’ny fanaovana batisa anao amin’ny anaran’ny Tompo Jesosy (Asan’ny Apostoly 2:41). Nefa misy andraikitra mifamatotra amin’izany : ny maha mpianatr’i Kristy anao dia tokony hisy vokatra hita maso eo amin’ny fiainanao.
(tapitra)