Talata 11 Jona 2024

Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray… ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo. 1 Petera 1:3-4

Ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo. Filipiana 3:20

 

Ny kristiana miatrika ny coronavirus

Taona 2020 : nanerana izao tontolo izao ny valanaretina Covid-19. Nandrera-tsaina isanandro ny vaovao : niparitaka hatraiza hatraiza ilay tsimokaretina, tsy mifidy taona, firenena, kolontsaina, saranga ara-piarahamonina.

Efa andro maro isika no nihiboka…

Indray hariva aho dia nahatsinjo ny volana teo amin’ny varavarankely, ary variana noho ny hatoniana eny ambony eny. Mamiratra ny volana, tsy miraika amin’izay korontana etỳ an-tany. Dia niakatra ambonimbony kokoa ny eritreritro, nankany amin’ny lanitra misy an’i Jesosy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Tontosa ny asam-pamonjena nataony, ao amin’ny fitsaharana mandrakizay Izy. Koa nihataka kely tamin’ny tebiteby manodidina aho, ary nifaly nieritreritra fa any an-danitra no tena fonenako. Ny tena fiainako, izany hoe ny fiainan’ny fanahiko, dia „miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra” (Kolosiana 3:3), ary voaaro amin’izay rehetra mety ho fahavoazana. Na dia miaina eto an-tany aza aho, dia vahiny ihany eto, raha ny marina. Ny tsimokaretina dia mety hahatratra ny vatako ; fa ny fiainana mandrakizain’ny fanahiko kosa, tsy ho tratrany mihitsy ! Tsy mety simba ny lova nampanantenaina ahy.

Ry kristiana, fampaherezana sy fitoniana lehibe ny manandratra ny fijery ho ambonimbony kokoa noho ity tany marefo ity ! Izay jerena toa mafy orina dia toy ny efa hirodana, ary „mivembena dia mivembena tahaka ny mamo ny tany” (Isaia 24:20). Fa ny lova azo antoka ho antsika kosa dia any an-danitra, tsy tratran’izay rehetra mety hampihena ny hasarobidiny ; ary Andriamanitra mihitsy no mitahiry azy ho antsika.

Izany fanantenana mampahery izany dia toy ny „vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika” (Hebreo 6:19).