Alarobia 12 Jona 2024
Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao. Salamo 139:14
Izy (Jesosy Kristy) no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany ; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. Kolosiana 1:16-17
Ny ADN dia mirakitra ny marika momba ny haitaranaka, izay mibaiko ireo singa samihafa ao amin’ny sela velona. Araka ny kajy natao dia heverina ho iray amin’ny 10 arahina aotra 155 no mety hampisy fiforonana kisendrasendra-na karazana ADN iray. Ny fiforonan’ny karazana ADN ve izany tsy mariky ny sonian’Andriamanitra ?
Hindrahindraina ny fifototry ny saina, nefa tsy manafintohina ve ny manaiky fa avy amin’ny kisendrasendra no nipoiran’ny aina teto an-tany sy maha voahazona azy ? raha lavina ny fisiana Mpamorona, ny fisiana Haranitan-tsaina mihoatra noho ny voajanahary. Inona no manakana fisaintsainana mahiratra momba ireo fotokevitry ny hoe Fivoarana, izay toa tsy mitombina velively ? Raha tsy manaiky io fotokevitra io, dia tokony hanaiky fa misy Ilay Andriamanitra Mpahary Tsitoha, ary vokatr’izany, tokony hihevitra fa ny olona noarìna tahaka ny endrik’Andriamanitra dia mifamatotra amin’Ilay Mpahary azy. Maro ny matahotra hino izany, sao very fahaleovantena.
Andriamanitra anefa dia tia ny voariny ary te hifandray aminy. „Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8). „Iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:5-6).
Manatòna an’i Jesosy, amin’ny finoana, midira amina fifandraisana velona aminy. Ekeo fa ny fitiavan’Andriamanitra antsika no hany fototr’io fifandraisana io : izany no sonian’Andriamanitra, sonia mahatalanjona.