Alakamisy 13 Jona 2024

Na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika… Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. 1 Jaona 3:20

Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (ireo olona rehetra mino), noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:24

 

Tompo ô, raiso amin’izao maha izaho ahy izao aho

Teraka tany Finlande i Ari Vatanen, mpanamory fiarakodia manao fifaninanana, ary iray amin’ireo izay miavaka hajaina sy malaza indrindra eo amin’ny sampam-panatanjahantena misy azy, nahazo fandresena in-65 tao anatin’ny 28 taona nanaovany io fanatanjahantena io. Tamin’ny taona 1985 izy dia niharana loza mahatsiravina tamina fifaninanana tany Argentine, ka voatery niato nandritra ny 18 volana. Hoy izy :

„Isika tsirairay dia tojo fahombiazana sy fahavoazana, nefa amin’ny fotoana sarotra isika no mandray ireo lesona lehibe indrindra. Eo no ho eo aloha dia mety hikomy, hanontany tena ; nefa amin’ny farany, indraindray taona maro atỳ aoriana, dia manjary mazava ny zavatra rehetra ary tsapa fa Andriamanitra no mifehy ny zavatra rehetra. Na tsy afaka manazava ny zavatra rehetra aza, dia mahatsapa fa ho amin’izay tsara indrindra ireo zavatra ireo.

Tena mafy tamiko ny loza nihatra tamin’ny taona 1985 sy ny 18 volana niatoako. Rehefa nanomboka ho tafarina aho, dia latsaka tao anaty harerahan-tsaina lalina. Nefa heveriko fa nony nivoaka avy tao aho dia tsy nanakiana be intsony toy ny teo aloha, nahay nandefitra kokoa, ary nanana fahatsinjovana ny zavatra amin’ny ankapobeny kokoa.

Eo amin’ny fiainana kristiana, ny tena zava-dehibe dia tsy ny fihetsehampontsika na ny fanarahana lalàna amam-pitsipika, fa ilay tranga tany Golgota, 2000 taona lasa izay : isika tokony hino ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany velona indray. Ny mahatalanjona ahy hatrany, dia Andriamanitra mandray antsika araka ny maha isika antsika. Nahoana moa Jesosy no dia maty hamonjy antsika ? Isika dia tena „simba”, nefa na eo aza izany rehetra izany, dia eo Izy, miandry antsika. Izy irery no masina. Na lavo aza isika rehetra, dia afaka mitodika amin’Andriamanitra ary miteny aminy hoe : „Tompo ô, mamelà ny heloko, raiso aho, amin’izao maha izao ahy izao” ; dia ataony izany, na inona na inona nataontsika teo aloha.”