Zoma 14 Jona 2024

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

Izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana ; nefa matokia ; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. Jaona 16:33

 

Havizanana, ilay aretin’izao vaninandro izao

Io lohateny io dia lohatenina lahatsoratra an-gazety iray. Voasoratra matetika ao amin’ny famantarana aretina ny teny anglisy hoe „burn-out” (harerahana ara-tsaina, hatrotrahana). Mety ho vokatry ny fiainana môderina mirotoroto iainantsika ve ? sa noho ny ahiahy isanandro na miverimberina manjo antsika, sy zava-tsarotra maro mianjady amintsika ?

Fony tetỳ an-tany Jesosy dia naniraka ny mpianany hitory ny Vaovao Mahafaly (Marka 3:14-15). Na dia nanao izany tam-pifaliana aza izy ireo, dia azo antoka fa sasatra, noho io asa io mitaky hery be. Jesosy, Izay mahafantatra ny zavatra rehetra, dia nahalala fa nila fialan-tsasatra, fampaherezana ary fampirisihana ireo mpianany, ka ho amin’izany dia mba mitsahatra kely eo anilany. Izany no nilazany tamin’izy ireo hoe : „Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelileky” (Marka 6:31).

Ho antsika tsirairay dia mamizana ity tontolo misafotofoto ity, ary mety hahatrotraka mihitsy aza, noho ny kirikiry sy amin’ny lafiny ara-tsaina. Irin’ny Tompo Jesosy isika hahita ny fitsaharan’ny fanahintsika, na dia mavesatra entana sy rera-tsaina aza, ary tiany hanatona Azy. Nanonitra ny fahotantsika Izy teo amin’ny hazofijaliana, mba hanomezan’Andriamanitra antsika ny famelan-keloka avy aminy. Ankehitriny Andriamanitra dia te hanohana sy hampahery ny zanany, na eo aza ny zava-tsarotra rehetra lalovan’izy ireo, ny harerahan-tsaina mikiky, ny hakiviana mameno azy ireo…

Ndao hamela Azy hitondra ny entantsika. „Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7). Ndao hatoky Azy, fa hampidina ny fiadanana ao am-pontsika Izy.