Asabotsy 15 Jona 2024
Fa Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo. Nehemia 9:17
… Mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Kolosiana 3:13
Ny hoe mamela heloka olona iray dia mamindra fo aminy, tsy mitaky takalony. Ny kristiana dia olona navelan’Andriamanitra heloka. Rehefa mamela heloka dia tsy mitana lolompo amin’ilay nanafintohina ny tena, mahafoy ny trosany. Ny mamela heloka dia mandà ny faniriana hamaly faty.
Nahoana moa no mamela heloka ? Satria angatahin’Andriamanitra amintsika izany. Izy no namela heloka antsika voalohany, rehefa naniratsira Azy mafy isika, tamin’ny fahotantsika. Raha miaina izany famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izany isika, dia haniry hampahafantatra io „Andriamanitry ny famelan-keloka” io, sy hampahita taratra eo amintsika ny toetrany : „Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy… Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala” (Efesiana 4:32 ; 5:1).
Raha tsy misy famelan-keloka, dia tsy afaka miaina fiombonana tena izy, na mpivady, na mpinamana, na koa mpiara-monina. Raha mbola mifampanana eritreritra ratsy ao am-po, dia tsy hay hatao ny miaina fifampizarana tena izy sy fisakaizana an-kitsimpo.
Mifanohitra amin’izany kosa, ny famelan-keloka dia mandrava ny fiampangana sy ny fijaliana tsy mitsahatra miverina. „Ny olona voalohany sitranin’ny famelan-keloka dia ilay olona mamela heloka… Rehefa mamela heloka an-kitsimpo isika, dia manafaka olona voagadra, ary mahita fa io olona nafahantsika io, dia tsy iza fa ny tenantsika ihany.” (Lewis Smedes)
(hifarana amin’ny herin’ny anio)