Alahady 16 Jona 2024

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Jeremia 31:3

Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 1 Jaona 4:9

 

Tsy misy olona tia ahy !

Ankizy iza moa, indray andro, no tsy nikiaka toy izany, noho ny hatezerana na ny hasosorana ! Vetivety foana ny zaza very fanantenana toy izany dia saika mahita mandrakariva sandry mampionona azy. Fa raha olon-dehibe kosa no manjary mamoy fo satria hoe tsy misy tia azy, iza no hahay hamerina ny fitokiany sy hikasika ny fony ?

Anio dia tsy mihambahamba izahay milaza aminao hoe : tia anao Andriamanitra ! Raha mihevitra ianao fa irery eto amin’izao tontolo izao sady tsy mahaliana an’iza na iza, dia aza diso hevitra toy izany. Tsy kisendrasendra Andriamanitra no nanapa-kevitra hamorona anao, indray andro ! Satria Izy te hampahita anao ny fahagagana rehetra nataony sy ny drafitra nomaniny hahasambatra anao. Tsy ahazoana tombony ve ny manaiky ny fitiavany ?

Tena marina fa tia anao Andriamanitra. Tia anao Izy, satria fantany fa tsy afaka ho tafavoaka irery ianao, hitany fa tsy sambatra ianao sady tsy afa-po, ary tsy matoky tena araka izay heverinao akory. Tia anao Izy, amin’izao maha ianao anao izao, ary tsy mikendry tombontsoa mihitsy, tia anao toy ny fitiavany antsika tsirairay.

Ahoana no ahafantarana fa tia antsika Andriamanitra ? Satria noporofoiny izany ! Natolony ho sorona ny Zanany, nisolo toerana antsika, ka maty nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, tahaka olo-meloka. Ankehitriny isika dia afaka mahita an’Andriamanitra, miresaka aminy, mihaino Azy, ary tsy ho ela dia ho eo akaikiny. Tsy manam-petra ny fitiavany, ary maharitra mandrakizay.

Eny, tia anao Andriamanitra. Anjaranao indray izao ny miteny aminy hoe : „Misaotra, noho ny fitiavanao ; izaho koa tia Anao”. Ary porofoy aminy fa marina izany, amin’ny fametranao aminy ny fiainanao manontolo !