Alatsinainy 17 Jona 2024

Jehovah… no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany. Josoa 2:11

Izao no lazain’ny Iray… Izay monina mandrakizay… : Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy… ny fon’ny torotoro fo. Isaia 57:15

 

Andriamanitra ô, aiza ianao ?

Hoy ny tsy mino mamaly : „Tsy aiza na aiza Izy, satria tsy misy”. Asehon’ny Baiboly ny hadalan’io valinteny io. „Ny adala manao anakampo hoe : Tsy misy Andriamanitra” (Salamo 14:1). Tsy manan-kalahatra ny olona tsy mino an’Andriamanitra. Maro ny porofo nomeny, mampiseho ny fisiany : izao tontolo rehetra izao, izay noarìny (jereo Romana 1:20), ny Teniny (jereo Salamo 19:7), ny faminaniana maro tanteraka, mampiseho fa fantany mialoha ny zavatra rehetra.

Ambonin’izany rehetra izany, Jesosy Kristy dia naneho tanteraka an’Andriamanitra, fony Izy tetỳ an-tany (Jaona 1:18). Ireo izay nandray an’i Jesosy ao am-pony dia nahazo ny zo maha zanak’Andriamanitra (Jaona 1:12). Mahafantatra an’Andriamanitra ho Rainy izy ireo.

Na izany aza anefa, na ho an’ny mpino aza, indraindray dia toa lavitra Andriamanitra, ary toa tsy miraharaha izay fijalian’ny olombelona. Nahatsapa lalina izany i Joba, tao anaty fitsapana mahamay : „Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy, ka ho tonga any amin’ny fitoerany aza !” (Joba 23:3). Tsy maintsy nianaran’i Joba, tao anatin’ireo zava-tsarotra, fa te hampianatra azy Andriamanitra. „Indro, Andriamanitra miasa amin’ny heriny mampiseho ny fisandratany ; iza no mba mpampianatra tahaka Azy ?” (Joba 36:22).

Toa an’i Joba, isika dia mianatra eo amin’ny sekolin’Andriamanitra. Mety ho lava sy mampangirifiry ny fianarana, nefa feno fitiavana sy fahasoavana Izy mikarakara antsika. Indraindray isika mety hisalasala momba ny maha marim-pototra ny ataony, na toa an’i Joba, mety handà ny ilàna ny fitsapana. Nefa ndao hitadidy fa tamin’izany no nahafantaran’i Joba hoe „miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo” (Jakoba 5:11).