Talata 18 Jona 2024

Dia hoy Jesosy taminy : Mbola kely ihany no hitoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina. Jaona 12:35

 

Jesosy, Ilay fahazavan’izao tontolo izao

Lohataona ny andro. Vao maraina be dia efa miposaka ny masoandro ary mitaratra ilay varavarankelin’ny efitranoko misokatra kely. Mazava loatra ny andro, ka tsy mahita tory intsony aho. Nanapa-kevitra aho hanakatona tanteraka ny varavarankely mba ho afaka matory milamina indray. Saingy mbola nisy ihany hirika kely nampiditra tanamasoandro mahery vao maraina, niantefa mivantana teny amin’ny tarehiko.

Izany dia mampieritreritra ahy ny fahazavan’Andriamanitra ao anatin’ny fanahiko. Ny Baiboly, ilay Bokin’Andriamanitra, dia milaza amiko hoe Jesosy Zanany no Ilay fahazavan’izao tontolo izao. Izy no tena fahazavana, Izay „mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 1:9). Ny fahazavan’i Jesosy Kristy dia tonga mampiharihary izay rehetra afeniko ao amin’ny takona, ireo fironako tsy hay ambara, ny ota ato anatiko ; nefa tonga ihany koa io fahazavany io, mitondra aina ho ahy : „Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12), hoy Jesosy.

Impiry impiry moa isika no nanakatona ny varavarankelintsika mba tsy hidiran’io fahazavana io ? Nefa iza no ho afaka manakana ny Tompo tsy hahatratra ny fony avy eo amina hirika kely, mandritra ny fiainany ? Tsy efa imbetsaka ve Izy no tonga mba hiresaka amintsika amin’ny alalana tara-pahazavana tokana, na dia mihidy tsara aza ny zavatra rehetra ?

„Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3:20). Afaka niteny ilay poeta, fahiny, hoe : „Mijery Azy (Mijery an’Andriamanitra) ireo ka miramirana” (Salamo 34:5).

Ndao hanokatra amin’Andriamanitsika ny varavarana sy varavarankelin’ny fontsika, dia ho feno fahazavana tsy ho ela ny rehetra eo amin’ny fiainantsika !