Alarobia 19 Jona 2024
Hitaraina amin’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy… Izy… hamonjy ahy… Andriamanitra haniraka ny famindrampony sy ny fahamarinany. Salamo 57:2-3
Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy. Jona 2:3
„Tsy azoko noheverina ny hoe misy olona afaka hanao soa ahy. Difotry ny onjan’ny famoizampo sy ny fahafatesana aho, nandritra ny fito taona nitanana ahy am-ponja. Taorianan’izany dia niseho ny Tenin’Andriamanitra. Indray hariva, tao amin’ny efitrakeliko, tamin’ny fotoana nanapahako hevitra hamarana io fiainana feno fijaliana io, dia nanoratra taratasy aho, namborahako ny tao am-poko rehetra. Avy eo ilay valopy dia napetrako tao anaty boky iray, ny Baiboly. Tsy nahiko, fa nanatona ilay boky aho. Roboka namaky ireo Soratra Masina ireo aho, tsy nahatakatra loatra izay novakiko, nefa isaky ny pejy, isaky ny teny dia nisy fahatsapana mahafinaritra nanenika ahy. Sambany aho teo amin’ny fiainako, ary teo anivon’ny korontana, mba nahatsapa fitoniana tsy fantatro, nahavery hevitra ahy, nefa tena nahatsara ahy aoka izany. Nandre ny antson’i Jesosy aho.
Tamin’ireo herinandro manaraka dia nisy fiovana lehibe, nanomboka nitranga teo amin’ny fiainako. Tsikelikely teny dia niova ho filaminana ny korontana, ary nanjary fahazavana ny haizina. Izay aho vao nahita fiainana marin-toerana. Na izany aza anefa, na dia nanohy namaky ny Baiboly isanandro aza aho, dia nitoetra tato anatiko ny fisalasalana, satria tsy takatro hoe nahoana Jesosy no tsy naneho ny tenany tamiko. Indray hariva dia nivavaka aho. Nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hotarihiny sy hampiany hahita dikan’ny fiainako sy hotoroiny lalana tokony hizorako. Nahagaga sady haingana ny navaliny. Takatro fa maneho ny tenany amintsika tsirairay Andriamanitra, ary mijery amina fijery tokana sy feno fitiavana mihoatra noho izay fahatakaran’ny olombelona. Fitiavana feno aina sy mandrakizay.”