Alakamisy 20 Jona 2024
Tany amin’ny ranomasina ny làlanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao. Salamo 77:19
Nanony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Dia faly ireo, satria nitsahatra izany ; ary nentiny ho amin’ny fitodiana niriny izy. Salamo 107:29-30
Nangatahin’i Jesosy ny mpianany hiondrana an-tsambokely sy hialoha Azy eny ampitan-drano (Matio 14:22-33). Avy eo Izy irery niakatra teny an-tendrombohitra mba hivavaka. Indro, tsy ela dia tratran’ny tafiodrivotra ny mpianatra ! Hitan’ny Tompo avy lavitra izy ireo, nivavaka ho azy Izy, ary rehefa tonga mafy indrindra ny tebitebin’izy ireo, dia niseho Izy, nandeha teny ambony rano nisamboaravoara.
Mety ho hitantsika ihany koa fa mihamafy ireo olana mahazo antsika, nefa isika mihevitra fa mankatò ny Tompo. Ho kivy ve isika, hihemotra, hisalasala ny amin’ny fitiavany sy ny heriny ? Aminy dia tsy misy toejavatra mampamoy fo, na toy inona na toy inona haavon’ny onjan-drano na herin’ny rivotra. Fa isika indraindray no tafalentika lalina ao anatin’ny fahasahiranantsika, ka tsy mahita intsony ny Tompo aza, toy ny tsy nahafantaran’ireo mpianatra Azy.
Raha toa isika tsy mahita ny tanan’ny Tompo ao anatin’ireo fitsapana lalovantsika, dia dilan’ilay tanjona namelany azy ireny hitranga.
Ny Tompo dia mikatsaka mandrakariva izay mahasoa antsika. Tsy hita maso ny dian’ny sambo eny ambony rano ; dia toy izany koa, tsy voatery ho takatsika ny anton’ireo zava-manahirana mahazo antsika. Nefa aoka hotsarovantsika fa Izy dia mahafantatra ireny antony ireny, ka tsy hamela izany hihoatra noho izay zakantsika. Izy, Ilay nahary ny tontolo rehetra, dia manana ny hery hampitsahatra ny tafiotra sy hanafaka antsika. Nefa tiany indrindra ny hiaraka amintsika mandritra ny fiampitana sy hahita fa tena raisintsika Izy eo amin’ny fiainantsika sy ireo zava-mitranga amintsika. Tsy handao antsika na oviana na oviana ny Tompo, satria lafo loatra ny nanavotany antsika ka tsy hafoiny isika ! Ndao hatoky Azy.