Zoma 21 Jona 2024

Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Jakoba 4:14

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Jaona 14:6

Mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:19

 

Manararaotra ny fiainana

Manararaotra ny fiainana, manangona traikefa amam-pahalalana, mandahatra karazam-pahafinaretana : atao inona moa izany ! Isika rehetra dia samy maniry hiaina fiainana misy dikany, miankina amina drafitra iorenany.

Ndao handinika tsara fanambarana roa ao amin’ny Baiboly, fanambarana afaka manome dikany ny fiainantsika sy ahafahana misitraka feno azy, raha ampiharina eo aminy.

— 1. Kristy no fahamarinana.

Ny fiheverana ny amin’ny fahamarinana dia mahaliana ny olona rehetra. Mety hokatsahina izy io na hatahorana, fa na ahoana na ahoana, tsy hay heverina ho tsinontsinona. Ilay Kristy velona no mpanoro lalana mitarika ny fiainako sy mampitombo ahy ao amin’ny fahamarinana.

Ny fahamarinana mahaliana ahy dia ilay mifamatotra amin’ny fiainako manokana, ny tantarako, fahamarinana araka ny tena maha izy azy, mampiharihary hoe iza moa aho ary mankaiza. Kristy mihitsy no fahamarinana ; asehony antsika fa mpanota isika, ary tiany hotarihina ho ao amin’izay marina sy mahitsy. Noho izany dia mila fanafahana isika.

— 2. Ao amin’i Jesosy Kristy ny famonjena.

Mila vonjena isika mba ho afaka amin’ilay toejavatra misy antsika, antsoin’ny Baiboly hoe ny ota : toetra fisarahana, tsy misy fifandraisana amin’Andriamanitra. Ny fampihavanana atolotra ao amin’i Jesosy Kristy, rehefa manaiky ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana isika, dia manafaka antsika amin’ireo fahotana sy mampifamatotra antsika amin’Andriamanitra, araka ny maha zanany antsika. Io fampihavanana io dia mamonjy antsika amin’ny famoizampo sy amin’ny fahaverezana mandrakizay. Amin’izay isika dia tena afaka „manararaotra ny fiainana”.

Ny hoe manararaotra ny fiainana dia ny misafidy ny fiainana mandrakizay atolotr’Andriamanitra antsika.