Asabotsy 22 Jona 2024
(Hoy Jesosy :) Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Lioka 23:34
(Hoy Petera tamin’i Jesosy :) Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy ? Hatramin’ny impito va ? Fa hoy Jesosy taminy : Tsy lazaiko aminao hoe : Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo. Matio 18:21-22
„Indray hariva aho dia nasaina hisakafo tany amina namana libaney, niaraka tamina mpiara-monina maro. Nisy olona iray nanolotra ny hamakiana io andinin-tSoratra Masina ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Matio notanisaina etsy ambony io. Izany vakiteny izany dia narahina fanginana ela nampanaintaina. Ireo lehilahy sy vehivavy teo ireo dia torotoro noho ny ady nandritra ny taona maro, namoizan’izy rehetra olona iray na maromaro teo amin’ny fianakaviany.
Tampoka teo dia hitako ho tsy mifaditrovana io teny ao amin’ny Filazantsara io. Ahoana moa no hahafahana manolotra teny toy io an’olona torotoro noho ny toejavatra tsy niriny sy tsy ahafahany manao na inona na inona ? Dia tankina aho nihaino ireo feo nopotehina fahoriana maro aoka izany, niaiky am-panetrentena fa io famelan-keloka io dia tsy afaka mivoaka ho azy intsony avy ao am-pon’izy ireo. Fankahalana sy ra mandriaka ary faty olona diso tafahoatra no nanamontsana azy ireo. Taorianan’izany fiekena tsy namboamboarina izany dia nanomboka nivavaka an-tsitrapo izy ireo, nangataka an’Andriamanitra hampiforona ao anatin’izy ireo, noho ny herin’ny Fanahiny, izany famelan-keloka tsy hay atao izany.
Takatro, tamin’io hariva io, fa ny hoe „mamela heloka” dia midika hoe tena „manana anjara amin’ny fanomezan’Andriamanitra”, tena mandray anjara amin’ny maha maimaimpoana ny fitiavany tsy misy fetra. Foanan’ny famelan-keloka ny lôjikantsika olombelona, izay lolompo mitombo hatrany miteraka valifaty, ratsy mitombo hatrany miteraka ratsy. Izay mety niseho ho fahalemena, ho fanekena fa resy, dia manjary fizotra tampoka manoha riana, fandalovan’ny Fanahin’Andriamanitra, fandalovana tsy nampoizina… Midika izany, hoe miala amin’ny lôjika maha olona antsika, ho amin’ny lôjikan’Andriamanitra, lôjikan’ny fitiavan’Ilay nivavaka, rehefa ho faty tao Kalvary, indray andro, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony” !” (Michel H.)
(amin’ny heriny ny tohiny)