Alahady 23 Jona 2024

Jesosy Tompontsika… natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika. Romana 4:24-25

Inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray. 1 Tesaloniana 4:14

 

Nitsangana velona indray Jesosy !

Efa ho 2000 taona lasa izay, ny marainakoa-na alahady iray, andro voalohany amin’ny herinandro, dia nisy toejavatra feno voninahitra nitranga.

Nisy vehivavy vitsivitsy nitondra zava-manitra, nanatona ny fasana nametrahana ny fatin’ny Tompon’izy ireo, dia Kristy, maty roa andro lasa. Hatairana izao ! Efa voakodia ny vato nanidy ny varavaram-pasana, nisokatra ny fasana… foana ! Indreo olona roa lahy nitafy fitafiana manelatrelatra niseho, ary nanontany azy ireo hoe : „Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona ? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana” (Lioka 24:5-6). Nanangana an’i Jesosy ho velona indray ny herin’Andriamanitra, dia ny herin’ny aina.

Tsy ireo apostoly no nahare voalohany io hafatra io, fa ireo vehivavy nikasa hanome haja Ilay nanafaka azy ireo. Mba hampitony ny tahotr’izy ireo, dia nanampy ny teny ren’izy ireo avy tamin’ny vavan’i Jesosy mihitsy ireo anjely, hoe : „Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanota, ka hohomboana amin’ny hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo” (Lioka 24:7).

Andro vaovao no niposaka ho an’ny zanak’olombelona, teboka fiaingan’ny Vaovao mahafaly, izay mbola ambara mandraka ankehitriny. Miteny amintsika Jesosy hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25). Ny finoana an’i Jesosy dia tsy mijanona fotsiny eo amin’ny fiainany lavorary, na eo amin’ny asa fanompoany voamariky ny fahasoavana sy ny fitiavana, ary na eo amin’ny fijaliany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana akory aza. Raha tsy nitsangana velona indray Jesosy, dia foana ny finoantsika. „Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy” (1 Korintiana 15:14, 20).