Alatsinainy 24 Jona 2024

Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra… ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16-17

 

Mpitsara sa Mpamonjy ?

Fotoana fohy talohan’ny nisamborana sy nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, ny Tompo Jesosy dia nanangona ny mpianany ary nampanantena azy ireo hoe : „Aza malahelo ny fonareo ; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro ;… handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho… dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:1-3).

Nolazainy azy ireo ny hiverenany, indrindra mba handrisika azy ireo hiambina : „Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo ; ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’izay” (Lioka 12:35-36).

Mandraka ankehitriny Izy dia mbola manasa ny mpino hiandry Azy haka azy ireo (izany hoe „hampiakatra” azy ireo) hiala teto amin’izao tontolo izao. Mety hitranga amin’ny fotoana rehetra io tranga io, izay lazalazain’ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony. Manambara mazava ny apostoly Paoly hoe : „Ary isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy”. Izany dia mampiseho fa na ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany aza dia efa niandry isanandro ny fiverenan’ny Tompo, ary isika ihany koa dia tokony hanao toy izany. Amin’ny dingana voalohany amin’io fiverenany io dia haka ny olony ny Tompo, nefa tsy hidina hatretỳ an-tany tsy akory. Ny mpino no hitsena Azy eny amin’ny habakabaka, ary tsy ho hitan’izao tontolo izao Izy.

Ny dingana faharoa, antsoina ihany koa hoe fisehoan’ny Tompo, dia hitranga fotoana tsy voafaritra aorianan’izany. Amin’izay ny Tompo dia ho avy hitsara izao tontolo izao. Ho hitan’ny olona rehetra maneran-tany Izy : „Ny maso rehetra hahita Azy” (Apokalypsy 1:7). Amin’izay ireo izay tsy nakarina miaraka amin’i Jesosy dia tsy maintsy hifanena aminy amin’ny maha Mpitsara Azy.