Talata 25 Jona 2024
Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo… fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’i Jehovah Andriamaniny. 1 Samoela 30:6
Nandeha tamina lalana iray tany atsimon’i Frantsa izahay, no taitra nahita sora-baventy nolokoina teo amina rindrina iray hoe : „Tampi-dalan-kaleha, fikomiana”. Ny fahasahiranana ara-karena, ny maha manirery, ny tsy fahampiana dia miteraka fangidiana sy fahoriana ; ary angamba aza fikomiana, manoloana ny tsy rariny sy tsy firaharahana eo amin’ny fiarahamonina. Hita any amina firenena maro izany tsy fahazoana aina izany. Ny fanaontsika voalohany dia ny mitady vonjy amin’ny tenantsika ihany sy amin’ireo mpitondra antsika.
Ny Baiboly dia manoro antsika lalana iray hafa. Ao anatin’ny fahoriana isika dia taominy hitodika amin’Andriamanitra. Izy dia „Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana” (Salamo 46:1).
Izany no niainan’i Davida mpanjaka. Ratsy fitantanana ny vahoakany izy, ary nitondra azy ireo ho amina toejavatra mamohehatra. Nikomy taminy avokoa ny olona rehetra. Nefa nahalala izy fa tsy handao azy Andriamanitra, Izay fantany efa hatry ny ela. Tao aminy no nahitany ny hery hanohizany ny asa nanirahana azy sy hanarenany ny fahavoazana.
Hoy ny apostoly Paoly : „Novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza” (2 Korintiana 1:8). Tsy nanan-kery intsony izy. Nefa fantany fa Andriamanitra dia nanafaka azy tamin’ny „fahafatesana lehibe”, ny fahafatesana mandrakizay, tamina „famonjena lehibe” notanterahin’i Jesosy Kristy (Hebreo 2:3). Ka Andriamanitra ve tsy ho afaka hamonjy azy amin’ny trangan-javatra sarotra eo amin’ny fiainana ihany koa ? Nitoetra tsy nanombinana ny fatokiany ny fikarakaran’Andriamanitra, Izay mampiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa ireo izay tia Azy (Romana 8:28).