Alarobia 26 Jona 2024
Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona. Salamo 42:2
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko ? Manantenà an’Andriamanitra ianao. Salamo 42:5
Inona no mampitebiteby anao ?
Inona no mampitebiteby anao, ry foko ?
Velomy indray ny herimponao ;
Tsarovy Ilay Mpahary anao,
Ny fisalasalana dia faniratsirana.
Ilay Andriamanitra fitiavana
Dia famonjena ho anao ;
Ry zanak’Ilay Andriamanitra avo indrindra,
Fantany ianao, tia anao Izy.
Banjino Ilay Andriamanitr’izao tontolo rehetra izao,
Izay mahafantatra ny fijalianao.
Manana fomba marobe
Efa vonona Izy hiarovany anao.
Ary eny an-tsandriny
Ianao dia tsy hatahotra.
Eo anivon’ny tafiotra mamely mafy,
Dia Andriamanitra irery no fialofana ho anao.
Tompo ô, mbola ho afaka hisalasala ihany ve aho ?
Eny, fantatro fa tia ahy Ianao.
Eny an-tsandrinao no tianao hitondrana ahy
Mandra-pahatonga ilay fotoana lehibe
Hiavianao
Sy handraisanao ahy
Ao an-tranon’ny Ray.
Ianao no itokian’ny foko.
(araka ny soratr’i Mattias Engel amin’ny teny alema)