Alakamisy 27 Jona 2024

Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho ; avy aiza ny famonjena ahy ? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Salamo 121:1-2

 

Hafatra mitondra fanantenana

Tamin’ny taona 2020, mba ho hafatra mitory fanantenana noho ny valanaretina coronavirus, dia nisy mpanakanto iray nanao sary hosodoko lehibe mirefy 3000 metatra tora-droa, teo amin’ny bozaka tany amin’ny vozontanin’i Prafandaz, any Soisa. Ny nataony sary dia zazavavy kely iray, mitodika any amin’ny faravodilanitra, mitantana ankizy maro manao tohivakana, tahaka fitaomana hiara-mitodika any amin’ny hoavy. Avy eny ambony eny dia tsara tarehy ny fahitana ny tontolo, ary maneho fahatsinjovana fahasambarana.

Aiza no hitodihana rehefa fotoana-na krizy ? Inona no sisa mijanona rehefa tsy mahita fanafana na vahaolana ny olona ? Rehefa mibanjina avy eny ambony ny hakanton’ny voary isika, dia afaka vetivety amin’ny fahasahiranan-tsaina andavanandro. Nefa ve izany tsy tokony hitarika antsika hanandrandra ny masontsika bebe kokoa amin’Ilay Mpahary noho ny amin’ny voary ?

Ny Baiboly dia mampahatsiahy antsika ireo toejavatra sarotra nandalovan’ny mpanjaka Josafata. Nisy fahavalo maro nanafika azy. Tsapany ny fahalemeny ka hoy izy : „Izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay ; fa Ianao no andrandrain’ny masonay” (2 Tantara 20:12). Rehefa tsy manan-kianteherana isika, dia misy lalana misokatra mandrakariva : afaka manopy ny masontsika any amin’Andriamanitra isika. Mitoetra ho marina hatrany ny fampanantenan’Andriamanitra hoe : „Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy” (Salamo 46:1). Ny finoana no mampandray antsika ny tanan’Andriamanitra sy mampihantehitra antsika amin’ireo loharanon-kery ataony eo am-pelatanantsika. Manana lalandava Andriamanitra, ho antsika, hafatra mitory fanantenana.