Zoma 28 Jona 2024
Homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo (tenin’Andriamanitra). Ezekiela 36:26
Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo. Ezekiela 18:31
„Fony nigadra i John, dia nanambara hoe :
— Ka izaho anie olona tsara e !
Tany am-ponja izy dia nanapa-kevitra hiditra tao amina vondrona iray mpamaky ny Baiboly, mba hanararaotra hihinana mofomamy sy hisotro kafe. Tsy ela dia nanaitra azy ny fahasambarana hita maso teny amin’ireo voafonja kristiana, ka nitomany izy nandritra ny hira voalohany. Tatỳ aoriana dia nahazo Baiboly izy. Ny famakiana ny bokin’i Ezekiela mpaminany no nanova azy, toy ny nilatsaham-baratra izy, hoy ny filazany : „Raha ny ratsy fanahy miala amin’ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy… dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty” (18:27, 28). Niaina tao anatiny ny Tenin’Andriamanitra ary nampahatakatra azy zavatra iray : „Tsy olona tsara aho… olon-dratsy aho ary tokony hiova”. Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’ilay mpiandraikitra ara-panahin’ny fonja izy hoe : Nahita an’i Jesosy Kristy aho, ary nanova ahy Izy.”
(araka an’i Amy Boucher Pye)Afaka miova ve ny olona, afaka hiova ve aho ? Tsaroako ny vehivavy iray mpiara-miasa izay nilaza tamiko fa tsy miova ny olona. Marina izany : tsy afaka hiova isika, amin’ny herintsika samirery. Nefa ny fanekena ny maha isika antsika eo anatrehan’Andriamanitra —mpandika lalàna, mpikomy- ary miaraka amin’izany, ny fatokiana ny fahasoavan’i Jesosy, dia hiteraka fiovana lehibe indrindra ao anatintsika. Fiovana anaty izany : rehefa mino ny Tompo Jesosy isika dia omeny antsika ny fiainam-panahy vaovao, miaraka amin’ny antom-piainana vaovao, ny faniriana fahadiovana, fahamarinana, faniriana hanao ny tsara, fitiavana vaovao Azy sy ny namantsika. Amin’izany dia fo vaovao sy fanahy vaovao no tonga monina ao amintsika mandrakizay. Tonga monina ao amintsika Jesosy, ary isika monina ao aminy.