Asabotsy 29 Jona 2024

Raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony. Marka 11:25

 

Pitika fitaratra ao anatin’ny sandry (4)

Alaivo sary an-tsaina ny zatovo iray naratra noho ny vakim-pitaratra. Diovina ny feriny, saingy misy pitika fitaratra kely mbola miafina ao. Rehefa mandeha ny fotoana sy ny fikarakarana dia toa sitrana ilay sandry, saingy tsy ela dia misy fihetsika sasantsasany mahatonga fanaintainana mafy.

Ny olona iray tsy mamela ny fahadisoana natao taminy dia mitoetra ao anaty toejavatra toy izany. Ohatra, mandritra ny fiharahana mahafinaritra eny, dia misy fihetsika mahery tsy ara-dalàna miseho eo anatrehan’ny olona sasantsasany. Tsy mbola sitrana ilay ratra. Toy ilay sandry naratra ihany dia tsy misy dikany ny nanosorana fanafody azy, ny hany vahaolana mahomby dia ny fanesorana io singa avy etỳ ivelany io.

Amin’ny resaka famelan-keloka, ahoana no atao mba hialan’ny fangidiana ao anatin’ny fontsika ? Zava-tsarota mety haharitra izany, mandra-pahasitrany. Ny dingana voalohany dia ny mangataka amin’i Jesosy ny fanampiany, mankeo am-pototry ny hazofijaliana. Ao anatin’ny fahatsapana ny fanatrehany no anambarana aminy izay nanjo antsika. Ndao hiezaka hanao teny mahitsy momba izay nihatra tamintsika, nefa aoka hahatsiaro ao anatin’ny vavaka ataontsika ny teny voalohany nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony”… Amin’izany, Jesosy dia hanome antsika fiadanana amin’ny fotoany. Ho voafafa avokoa izay rehetra mety ho soritra fangidiana sy valifaty. Ambonin’izany aza, araka ny nangatahan’i Jesosy tamintsika, dia ho tia izay nanao ratsy tamintsika isika… na dia tsy mifamaly aza ny famelan-keloka mandrakariva.

Tsy afaka hanadino ny zava-niainana sasantsasany isika, toy io holatra mbola hita maso eo amin’ny sandry io, fa ny Tompo Jesosy no hanasitrana antsika ary hanome antsika ny hery hamelantsika heloka.

(tapitra)