Alahady 30 Jona 2024

Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ny fitarainako. Salamo 22:1

Vonjeo amin’ny vavan’ny liona aho ; ary valio… Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho ; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao. Salamo 22:21-22

 

Taorianan’ny fandaozana indrindra

Ny Salamo 22, nosoratan’i Davida mpanjaka, dia manoritsoritra mialoha ny fijalian’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, rehefa nilaozan’Andriamanitra ho irery Izy noho ny fahotantsika. Ny salamo dia manomboka amin’ny antsoantso mandratra fo nataon’i Jesosy tamin’ny fiafaran’ireo ora mahatsiravina, ary taterin’ireo mpanoratra ny filazantsara Matio (27:46) sy Marka (15:34). Nambaran’i Jesosy tamim-peo avo, teo anatrehan’ny olona rehetra, fa nandao Azy Andriamanitra. Ny salamo dia milaza ny tebitebiny sy ny fahorian-tsainy nandritra ireo ora telo feno fanginana ireo : „Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Ianao ; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana” (Salamo 22:2).

Fa ny faran’ny lahatsoratra kosa dia mampiseho ny fihetsehampon’ny Mpamonjy, rehefa lasa ny fotoana nandaozana Azy, ary voaefany ny otantsika rehetra. Namaly ny antsoantsony Andriamanitra nony farany : „Namaly Ahy Ianao…” Ny voaloham-pisainany dia niantefa tam-pankasitrahana tamin’ny Rainy, satria nanafaka Azy tamin’izany ora nampijaly izany Izy.

Manohina indrindra izany fihetsika voalohany tao am-pon’ny Mpamonjy izany : tsy nisy nanohinana ny fatokiany tanteraka Ilay Andriamaniny, teo am-pamakivakiana ireo ora tsy maintsy nandaozan’Andriamanitra Azy ireo. „Ny marina, matoky na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza” (Ohabolana 14:32).

Ambonin’izany, dia faly Izy manambara io anarana mamin’ny Ray io amin’ny rahalahiny. Izany no hafatra nasainy hampitaina tamin’ny mpianany, raha vao nitsangana velona indray Izy : „Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17). Faly ihany koa Izy raha vao mieritreritra ny hidera an’Andriamanitra Rainy eo anivon’ireo rahalahiny, izay miombona aminy mba hidera an’Andriamanitra noho ny nanafahany Azy tamin’ny fahoriana lehibe toy izany.