Alatsinainy 1 Jolay 2024

Tsy misy marina na dia iray akory aza. Romana 3:10

Izay (Andriamanitra) mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra. Salamo 103:3

 

Fielezan’aretina mbola tsy nisy toy izany

Ny valan’aretina tamin’ny taona 2020 dia nampianatra antsika fa mety ho voan’ny Covid-19 isika, na dia toa salama tsara aza etỳ ivelany. Na „mpitondra tsimokaretina salama” toy izany aza isika dia mety hamindra amin’ny hafa. Noho izany dia sarotra ny miteny hoe : „Salama tsara aho, saingy mitondra io tsimokaretina io”.

Ny Baiboly dia manambara amintsika fa taorianan’ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva, voalohan-dray aman-drenintsika, dia azon’ny ota izao tontolo izao, ary tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana. Tsy misy fanafody, tsy misy vakisiny afaka hanasitrana ny zanak’olombelona amin’izany. Tsapantsika ve izany ?

Tsy misy antenaina intsony ve amin’izany toejavatra izany ? Tsia ! Ny dingana voalohany mankamin’ny lalan’ny fahasitranana dia ny miaiky hoe „marary”, izany hoe mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Maro no mandà izany filazana aretina izany. Satria ny fitondrantena mendrika, ireo asa soa atao, eny na ny fahafoizan-tena ho an’ny hafa aza, dia toa mamitaka fa hoe tsy „nifindran’ny aretina” ny tena. Raha ny marina, dia tsy azo ihodivirana ny didim-pitsaran’ny Baiboly : tsy misy izany „salama mitondra tsimokaretina” izany ! „Tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Salamo 14:3). „Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary” (Isaia 1:6). Ny lainga faran’izay kely, ohatra, dia manalavitra ahy tanteraka amin’Andriamanitra.

Soa ihany fa misy fanasitranana io aretina mahafaty mahazo antsika io, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra : nafoiny ho antsika teo amin’ny hazofijaliana ny ainy, „ary ny dian-kapoka taminy ny nahasitranana antsika” (Isaia 53:5). Koa inona ny vokatr’izany ? Raha mino isika, izany dia ny famelan-keloka, ny fiadanana ary ny fiainana mandrakizay !